Politique

Pr Blanche Nirina Richard Hikarakara «Forum» manokana


  • Talata 24 Aogositra 2010

Malaina hifangaro na tsy resy lahatra hiditra ao amin’ny CNOSC ny Pr Blanche Nirina Richard, izay filohan’ny CSR-AN (Comité de Sauvegarde de la Refondation Authentique de la Nation izay Comité de Suivi des Résolutions des Assises Nationales teo aloha).

Izy, tsiahivina ihany, no nitarika ny komity nandray an-tanana ny fikarakarana ny Assises Nationales natao teny amin’ny Centre de Conférences Ivato ny taona 2009 ary nitohy teny anivon’ny faritra ny faran’ny volana jona sy fiandohan’ny volana jolay 2009. Araka ny fantatra dia manahirana an’ny Pr Blanche Nirina Richard ny andininy sasantsasany amin’ny fifanarahana nifanaovan’ny KMF/CNOE, ny Alliance des Organisations de la Société Civile ary ny Coalition des Organisations de la Société Civile ka nampijoroana ny CNOSC, izay tsy ahafahan’izay fiarahamonim-pirenena te hanatevin-daharana azy io, hitovy laharana amin’iretsy telo mpandrafitra fototra amin’ny fanapahan-kevitra sy fitarihana. Koa dia ho sarotra ihany ny fampivondronana ny fiarahamonim-pirenena rehetra eto Madagasikara aterak’io ady toerana amin’ny fitarihana io. Mety ho noho io antony io koa no mahatonga ny resaka mandeha amin’izao fotoana izao fa dia mikasa ny hikarakara «Forum» na lapan-kevitra na foaran-kevitra toy ny natao tamin’ny taona 1993 ny Pr Blanche Nirina Richard. Tsy mbola voafaritra mazava ny fotoana sy ny toerana hanatanterahana ity “Forum” ity, raha ny lojikany dia fanaingana indray ireo rehetra nandray anjara tamin’ny Assises Nationales ny taona 2009 izy ity. Raha izay izany dia hifaninana ny CNOSC sy ny CSR-AN amin’ny fikarakarana fikaonandoham-pirenena na ho «Assises Nationales» na ho «Conférence Nationale» ho anarany eo. Izany dia mboka taratry ny krizy avokoa.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT