Politique

Pr Blanche Nirina Richard “Fandaniam-potoana ny dinika santatra”


  • Alarobia 14 Jolay 2010

Marina sady mitombona ny fanambaran’ny profesora Zafy Albert fa samy miady ny ho lohany amin’ny famahana ny krizy ireo vondron’ny fiarahamonm-pirenana roa, dia ny Coalition sy Alliance izany, araka ny fahitan’ny Pr Blanche Nirina Richard azy.

Izy moa dia filohan’ny CSR-N na komity mpanara-maso ny fehin-kevitra tapaka nandritra ny fikaonandoham-paritra nokarakarain’ny FAT tamin’ny 2009. Nanamafy anefa i Blanche Nirina Richard fa mbola mila miverina amin’ny ara-dalàna (ordre constitutionnel) aloha isika satria tsy mazava mihitsy ny rafitra misy eto amin’izao fotoana, tsy misy afa tsy ny fakana sy fandravonana ny hevitry ny rehetra ihany koa no tena ahitana vahaolana mahomby sy maharitra amin’izao krizy izao, araka ny nambarany. Aminy dia fandaniam-potoana ny mbola hanaovana indray ny dinika santatra isaky ny distrika, satria zavatra efa vitan’ny CSR-N izany tamin’ny herintaona, ary azo heverina, araka ny nambarany ihany fa efa nahasolo tena ny Malagasy ireo olona sy fikambanana nanolotra soso-kevitra tamin’izany. Nahatratra 35 000 mantsy ny olona nandray anjara mivantana tamin’ny fikaonandoham-paritra, ary maherin’ny 400 kosa ireo fikambanana nanolotra soso-kevitra tamin’ny fikaonandoham-paritra nokarakarain’ny CSR-N.

Araka ny hevitr’i Blanche Nirina Richard ihany dia samy tokony hanolotra ny soso-keviny amin’ny famahana ny krizy, na ny Coalition izay eritreretin’ny maro fa mirona bebe kokoa any amin’ny FAT, na ny Alliance izay mety mitovitovy fomba fijery amin’ny ankolafy Madagasikara. Rehefa samy mampahafantatra ny tolo-keviny ireo vondrona roa lehibe ireo, dia atambatra amin’ny fehin-kevitra efa eo am-pelatanan’ny CSR-N izany, dia avy amin’ny alalan’ireo no handrafetana izay foto-kevi-dehibe hivoahana amin’ny krizy. Tsy tokony hisy intsony ny fiadiana izay ho lohany fa ny fanambarana ny hevitra sy ny hery no zava-dehibe, raha tena te hamaha ny krizy politika misy eto marina isika, hoy i Blanche Nirina Richard. Araka ny tsiliantsofina re moa dia tsy nahafa-po ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy ny fehin-kevitra tapaka nandritra ny fikaonandoham-paritra izay nokarakarain’ny CSR-N tamin’ny herintaona, ka izay no antony nanilihana tsimoramora ny Pr Blanche Nirina Richard, ity farany rahateo dia anisan’ny mitaky ny fiverenana amin’ny ara-dalàna, izay teny fady sy tsy fampiseho masoandro mihitsy ho an’ny FAT.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT