Taorian’ny fihaonambem-pirenena nokarakarain’ny Raiamandreny Mijoro sy ny vondron’olom-pirenena FINOANA ny 13 ka hatramin’ny 18 septambra lasa iny, dia manangasanga any koa ny «Forum» omanin’ny CSR-AN (Comité pour la Sauvegarde de la Refondation Authentique de la Nation), tarihin-dRtoa Blanche Nirina Richard. Nisy ny tafa mivantambantana nifanaovana taminy araka izao manaraka izao.
Tia Tanindrazana (T.T) : Foana sa mbola manan-kery ilay “Forum” nokasainareo hatao ?Pr Blanche Nirina Richard (BNR) : Aminay dia fikaonandoha ihany no vita. Aza hadinoina fa ny CNOSC koa dia niteny fa hanao fikaonandoha ho an’ireo izay tsy mbola niteny sy naneho hevitra, ary mampirisika ny olona tsy niteny hiroso amin’izany.
T.T : Tsy mbola hivaha izany ny krizy ?
BNR : Misafotofoto amin’ny olona ny raharaha. Tsy fantatra intsony eto hoe : iza no manao inona, iza no mampikatso ... Andanin’izay dia misy milaza fa an’ny TGV iny fihaonambem-pirenena vita teny Ivato iny, koa raha vitany soa aman-tsara ny azy dia milaza izahay CSR-AN hoe : tonga ny fotoana, tokony haravona ny hevitra rehetra, ka hatao ny “Forum”.
T.T : Izany hoe ?
BNR : Samy hanao tatitry ny fehin-keviny na mampahalala ny dingana ny vitany mikasika ny famahana ny krizy ny ankolafy tsirairay. Hisy komity mpikarakara hatsangana hanomana ny sehatra hanatanterahana izany. Hanana solontena ao ny foloalindahy, izay efa nanao fikaonan-doha manokana ho azy ireo (assises militaires) ny taona 2009. Hanana ny azy koa ny tanora, izay efa nahavita fihaonambe tao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny taona 2009. Toy izany koa ny FFKM sy ny fikambanam-pinoana hafa, ary samy hanana solontena ao koa ny fiarahamonim-pirenena sy ny antoko politika. Ireo no mifanaiky fa hiaraka hikarakara fihaonambe hanaovana io tatitra io. Aza hadinoina fa olana iraisan’ny Malagasy izy ity, koa mila mifanazava, mifampihaino sy miaraka mitady vahaolana isika. Tatero amin’io sehatra io izay zavatra vitanareo ! Raha efa nisy vahaolana marina maninona isika no tsy mety tafavoaka, inona no soso-kevitra ?
T.T : Dia inona no vokatra andrasana amin’izany ?
BNR : Ny fitsanganan'ilay komity mpikarakara aloha dia efa misoroka ny filazana fa mandeha ila indray ny fihaonana sy ny fitadiavam-bahaolana. Rehefa vita izay dia hazava amin’ny olona tsara koa ny zava-mitranga. Ary mazava loatra fa hanampiana ireo Ankolafy Efatra miady mifanaritaka io “Forum” io, hamaritana ny tena tetezamita.
T.T : Tsy tokony mbola hampiharina izany ny fehin-kevitra teny Ivato ?
BNR : Mijanona ho sehatra iray fakan-kevitra iny. Ny fisisihana hampihatra avy hatrany ny fehin-kevitra nivoaka tao dia endrika fitantanana mandeha ila, ka vao mainka hampisavorovoro eto indray. Ny olana mantsy dia hoe : mahasolo tena ny Malagasy tsivakivolo ve ny mpizaika nandray anjara teny ireny ? Tao anatin’iny dia niezaka nanaporofo ny ESCPOL (Sehatra ifanakalozan’ny antoko politika) fa manana maro an’isa manaraka azy. Aza hadinoina anefa fa misy koa anie ny fironana hafa na “autres sensibilités”, ary tsy nandray anjara tao. Tsy vitsy amin’izy ireo no avy amin’ny fiarahamonina politika ary maro koa no avy amin’ny fiarahamonina sivily. Tsy any amin’ny hamaroana no olana, koa aza manenjika isa, fa ny hevitra no handeha hampiadiana. Ary izay no mahatonga ahy hilaza amin’ny rehetra hoe : tonga ity ny fotoana, andao haravona ny hevitra rehetra, ka hatao ny “Forum”.
T.T : Misy mihaino ve ianareo amin’izany, ary ho tanteraka ve io nofinofinareo io ?
BNR : Na ny Raiamandreny Mijoro aza anie efa nihaonana sy nifampiresahanay, ary niaiky ny mahazava-dehibe izany e ! Gaga anefa izahay raha nanao iny fihaonambem-pirenena iny indray izy ireo. Na izany aza dia matoky izahay fa ho tanteraka izany.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.