Politique

Pr Ange Andrianarisoa «Olon’ny FAT ihany ireo manelanelana ireo»


  • Talata 27 Jolay 2010

Manamafy ny ankolafy Ratsiraka, araka ny fanambarana nataon’ny Profesora Ange Andrianarisoa fa tsy mbola resy lahatra amin’ny maha tsy momba ny atsy na ny aroa ny fiarahamonim-pirenena sy ny Raiamandreny Mijoro izy ireo.

Voalohany indrindra aloha ho an’ny fiarahamonim-pirenena dia maro amin’izy ireo no mpanao politika sy hita matetika amin’ny resaka politika teto amin’ny firenena, araka ny filazan’i Ange Andrianarisoa ; eo ihany koa araka ny nambarany ireo olona izay hita mibaribary fa manana andraikitra ao anati’nizao fitondrana tetezamita izao. Ka noho izany rehetra izany dia tsy azo antoka ny tsy fitanilan’ny fiarahamonim-pirenena, araka ny nambaran’ity filohan’ny delegasionin’ny ankolafy Ratsiraka ity ihany. Momba ireo Raiamandreny Mijoro kosa, dia namerimberina ny ankolafy Ratsiraka fa Raiamandreny najoro ireo, ary maro amin’izy ireo no miandany amin’ny fitondrana tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina. Nanamarika ny profesora Ange Andrianarisoa fa nisy Ampanjaka sy Tangalamena tonga saika hiaraka hivory tamin’ireo ambara fa Raiamandreny Mijoro; nolazaina anefa izy ireo hoe : aleo aloha miverina ianareo fa any amin’ny faritra misy anareo no tena ilàna anareo rehefa atao ny dinika any.

Tsy rariny izany, hoy ny avy ao amin’ny ankolafy Ratsiraka ary tena midika mihitsy fa misy ankolafy te hifehy io Raiamandreny Mijoro io, fa resaka fotsiny ny ankoatr’izay. Mikasika ireo nitonona ho avy amin’ny antoko Arema ka niara-nivory tamin’ireo mpanao politika sasany ny faran’ny herinandro teo, dia hentitra ny tenin’ny Profesora Ange Andrianarisoa fa tsy naniraka olona izany mihitsy ny Arema fa mety tonga amin’ny anarany tenany manokana angamba izay nanarika izany fivoriana izany. Efa nihaona tamin’i Joaquim Chissano moa ity ankolafy Ratsiraka ity ary nilaza mazava ny tsy fahatokisany ny hetsika fanelanelanana ataon’ny fiarahamonim-pirenena sy ny Raiamandreny Mijoro. Amin’ny ankolafy Ratsiraka mantsy dia olon’ny FAT ihany no mody mijoro ho mpanelanelana amin’izao fotoana. Mitaky hatrany ny fampiharana izay efa nosiniavin’ireo filohan’ny ankolafy efatra ny ankolafy Ratsiraka, dia ny satan’i Maputo izany. Ny amiraly Didier Ratsiraka rahateo dia efa mazava ny teniny fa tsy maintsy tanterahana izay nosoniavina fa tsy azo ekena mihitsy ny miovaova hevitra lava, tahaka ny ataon’i Andry Rajoelina, filohan’ny FAT.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

  • Vonison Andrianjato
  • Talata 28 Aprily 2026

«Fifandimbiasana ara-jeografika sy

  • KOHEN RIVOLALA
  • Talata 28 Aprily 2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

  • Maminirina Miharisoa
  • Talata 28 Aprily 2026

na Tonton Mamy

  • olon-dRajoelina
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

"Miezaka mampisara-bazana ny mpitolona"

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

Hijery ny tohiny
FTT