Politique

Pr Ange Andrianarisoa «Misoloky izay milaza ho Arema tonga eny Ivato»


  • Zoma 10 Septambra 2010

Manao tohivakana ny fanambaran’ireo antoko lehibe sy vondron’antoko milaza fa tsy handray anjara amin’ny fihaonambem-pirenena karakarain’ny Raimandreny Mijoro sy ny vondron’olom-pirenena eny amin’ny trano fandraisana fivoriana iraisam-pirenena Ivato manomboka amin’ny alatsinainy 13 septambra ho avy io.

Omaly dia namoaka fanambarana ny antoko Arema nanamafy fa tsy nahazo tsodrano avy amin’ny filoha mpanorina, dia ny amiraly Ratsiraka Didier Ignace ny antoko handray anjara amin’izany fihaonambem-pirenena izany. Hentitra ny tenin’ny sekretera jeneraly lefitry ny antoko, Pr Ange Andrianarisoa, fa mpisoloky izay olona mitonona ho solontenan’ny Arema handray anjara na koa milaza ho mpitondra tenin’ny antoko amin’io fihaonambem-pirenena hatao eny Ivato io. Nanamafy ny Pr Ange Andrianarisoa, fa tsy nahazo fahefana hanao izany avy amin’ny amiraly Ratsiraka izy ireo. Hisy amin’ity anio ity ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety hiarahan’ny Ankolafy Telo hatao ao amin’ny Carlton, koa inoana fa dia hanamafy izay tsy fandraisany anjara amin’io fihaonambem-pirenena asain’ny FAT karakarain’ny Raimandreny Mijoro sy ny vondron’olom-pirenena io ny Arema. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT