Hiakam-pifaliana no nandraisan’ny vahoaka tany Mandritsara an’i Marc Ravalomanana omaly.
Tsy kely tsy lehibe fa samy liana sy faly tamin’ny fahatongavany avokoa ny rehetra. Ny voan-dalana azo atao aty dia hiasa hiaraka amin’ny mponina, ny kaominina, indrindra ny distrika amin’izay azo atao, hoy ny filoha teo aloha. Efa ratsy ny seranam-piaramanidina, ka azo atao ny mifampiresaka hahafahana manamboatra azy. Vonona tanteraka aho hiara-kiasa amin’ny Ben’ny tanàna eto satria mpanolotsain’ny Ben’ny tanàna rehetra aho fa tsy Antananarivo ihany, hoy izy. Eo ihany koa ny lalana, izay mila hitadiavana hevitra maika. Nampihetsi-po kosa ny fihetsiky ny renim-pianakaviana iray malemy, saingy noho ny fahenoana ny fahatongavan’i Marc Ravalomanana tany an-toerana, dia niangavy ny matanjaka hitondra azy hihaona mivantana tamin’ny filoha teo aloha sy nitsodrano azy. Lalina loatra ny fitiavan’ny Malagasy azy na aiza na aiza aleha. Voafehiny ny politika, fandraharahana, sosialy, diplomasia, serasera ka na tantsaha na olon-tsotra na mpandraharaha na antitra na tanora dia hainy ny mifandray aminy. Na Malagasy na ny vahiny manaiky azy avokoa. Tadiavin’ny vahoaka fa tsy mba tahaka ny zava-misy ataon’ny mpitondra hoe tambazam-bola ny olona vao hanohana. Raha ny antsojay sy ny fanaratsiana mahazo azy saika andro aman’alina dia tsy ho toy izao iaraha-nahita izao ny fankafizan’ny vahoaka azy. Tsy adala ny Malagasy fa mahay mijery sy mamakafaka ary mahay mampitaha ny tantaran’ny mpitondra nifanesy. Mahalala ny tokony hataony na habadoina andro aman’alina aza.
Avo lenta
Etsy an-kilany, sady manao don-tandroka sy ramatahora ny mpitondra no mampiteny ireo mersenera politika efa bobongolon’ny ora sy fotoana, izay karamaina hanaratsy sy handoto, saingy zary ataon’ny vahoaka fihomehezana. Firifiry tamin’ireny no efa nitsapa ny heriny tamin’ny fifidianana dia nanao ahoana ny heriny ? Tsy tambo isaina ny fanaratsiana sy fandotoana, eny fa hatramin’ny ompa, saingy tsy ao anatin’ny sokajin’olona tokony hifampitana sy hifanandrina amin’i Marc Ravalomanana ireny raha ny toerana sy ny lanjany eto amin’ny firenena. Avo lenta ny fahaiza-manaon’i Marc Ravalomanana, ka manaiky azy izao tontolo izao. Taiza teto ambonin’ny tany no mbola nisy olona avy nanao sesitany ny tenany tany ivelany enin-taona, kanefa herintaona monja taorian’ny nodiany an-tanindrazana dia efa miverina miroborobo ny orinasany, izay nopotehina sy norobaina. Ary mba inona no nataon’ireo mpandroba sy mpiliba ? Firifiry amin’ireo mpanao politika mpanaratsy miezaka mampiely ny foto-keviny, ary malalaka amin’ny fanaratsiany an’i Marc Ravalomanana no afaka hilaza fa mahazaka olona sy mamim-bahoaka tahaka azy na matanjaka tahaka ny TIM ny antokony ? Saika i Marc Ravalomanana no atao anton-dresaka andro aman’alina ary miakatra ihany ny daozin’ny fanaratsiana, saingy vao mainka tian’ny olona ilay mpitondra ronono fahiny. Mibaribary be fa toran-kovitra sy mipararetra amin’ny zava-bitan-dRavalo sy ny mety mbola ho vitany ny antokon’ny fitondrana ka io manomboka mila vaniny sy manao ramatahora io. Raha ny zava-misy hatreto aloha no jerena dia sarotra ny hahita mpanao politika Malagasy manana fahasahiana tahaka an’i Dadavalo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.