Politique

Politika Mitsangana ny Komity miaro ny fihaonambem-pirenena


  • Zoma 01 Oktobra 2010


Nitafa tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny ARTCOM route d’Ambositra ny alarobia 29 septambra 2010 teo ireo solontenan’Antsirabe tamin’ny fihaonambem-pirenena nokarakarain’ny Raimandreny Mijoro teny Ivato teo, izay notarihin-dRabarinela Lauret sy ny namany ka nanapa-kevitra fa dia hivadika ho komity hiaro ny fehin-kevitry ny fihaonambem-pirenena izy ireo ary dia hanana ny foibeny ao amin’ity toerana ity ihany. Antony maro moa no nahatonga azy ireo hanangana ity. Eo aloha ny fiomanana sahady ny fiatrehana ny fampielezan-kevitra ho an’ny fitsampan-kevi-bahoaka kasain’ny FAT hatao ny 17 Novambra ho avy izao ka efa itaoman’izy ireo olona sahady hiatrika izany amin’izao fotoana izao, fa eo ihany koa ny fanehoan-kevitra miseho lany avy etsy sy eroa manohitra sahady ireo fehin-kevitra nivoaka teny Ivato teny ka mahabe resaka ny maro ny fiovan-javatra tsapan’ireo izay nanatrika tany, indrindra moa fa ny tao Antsirabe izay nanda avy hatrany ny fanoloana ny mpitondra ho PDS. Raha tsiahivina dia ireto olona nisolo tena an’Antsirabe ireto no tena miady fo mafy amin’ny fanalana ny Ben’ny tanàna sy ny Lehiben’ny Faritra Vakinankaratra ary sahy milaza zavatra tsy misy mihitsy amin’izany fandotoana ny Mera izany, saingy tsy mahita mangirana izy ireo hatreto. Ho hita eo moa ny tohin’ny asan’ity Komity ity satria dia ho an’Antsirabe I ihany aloha ity nitsangana ity fa tsy mbola ny Faritra rehetra akory. 

Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT