Politique

Politika Lasa mpanohitra ny TIM


  • Alarobia 14 Septambra 2016

Manaja sy mankato tanteraka ny fanjakana mijoro ara-demokratika sy ny sata repoblikanina ny antoko Tiako I Madagasikara.

  Tsy mety ary tsy rariny amin’ny birao politikan’ny TIM intsony anefa ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Tsy manaiky ny fanimbana ny tontolo iainana, ny fitantanana ny harena ankibon’ny tany gaboraraka ary ny fibodoan’ny olom-bitsy ny fananam-bahoaka moa ny antoko, hoy ny filoha nasionaliny Ravalomanana Marc. Tsy mpanongam-panjakana saingy azo atao tsara kosa ny maka ny hevitry ny vahoaka amin’ny firosoana mialoha na tsia amin’ny fifidianana. Manohana ny fifampidinihana eo amin’ireo hery velona rehetra manoloana ireo tranga samihafa lalovan’ny mpiara-belona eto Madagasikara nandritra ny atrikasa notarihan’ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana misahana ny fampandrosoana farany teo ihany koa ny Tiako I Madagasikara, araka ny fanamarihan’ny sekretera jeneraliny Andriamahefamparany Donnat.

Manampahaizana

Tsy hivoatra velively ny fiarahamonina Malagasy raha tsy matanjaka ara-toekarena i Madagasikara, hoy ny filoha nasionalin’ny Tiako I Madagasikara Ravalomanana Marc. Sakana goavana anefa ny tsy fisian’ny fifampiresahana sy ny fifampitokisana eo amin’ny samy Malagasy na ny fampihavanam-pirenena voalazan’ny tondrozotra. Antony nahatonga ny birao politikan’ ny antoko hanafatra vahiny manampahaizana manokana mahafehy ny lafiny politika sy toekarena ary ny tontolon’ny serasera. Hampiofana sy hifampizara traikefa amin’ireo mpikambana ao amin’ny antoko TIM i James Robinson sy i Bryan Class. Hampahafantatra amin’ny ankapobeny ny fahitan’ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara ny zava-misy marina eto amin’ny firenentsika ihany koa ireto mpahay toekarena sy politika ary mpiserasera avy any Chicago sy Oxford ireto.   

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT