Nipoitra indray ry zareo avy eo anivon’ny dinika fanavotam-pirenena (DFP), tamin’ny alalan’ny filohany Tolojanahary Maharavo (Doudou) , teny amin’ny fonenany eny Ambohipo omaly,
rehefa elaela tsy heno noho ny olana ara-pianakaviana. Nisaotra ny Bianco sy ny fitsarana ary ny vondrona iraisam-pirenena izy tamin’ny ezaka nataon’ireto farany nikasika ny raharaha Razaimamonjy. Tsy mbola tokony handihy tsy afa-tavony anefa, hoy izy, fa izao fotoana ahitana ny fahasahian’ireo rafitra voalaza ireo mijoro izao no tokony hanararaotana hanatsikafonana ny raharaha kolikoly hafa rehetra. Anisan’izany ny tsy fahazavana momba ireo tsenam-panjakana miisa 30 tamin’ny taona 2014, ny andramena 20 kaontenera tratra tao Maorisy dia 2 andro ihany tao amin’ny seranantsika dia avy eo tsy hita izay nanjavonany, ny vola an-jatony lavitrisa nomen’ny filoha ankehitriny orinasa iray fony izy minisitry ny vola kanefa tsy fantatra na efa tafaverina. Hitory ny minisitry ny atitany sy rantsa-mangaika maromaro ao anatin’ity minisitera ity izahay satria ao no tena fositry ny kolikoly sy fanodikodinana volam-bahoaka, hoy izy.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.