Politique

PM Solonandrasana Mahafaly Nahazo ny « Prix Mandela du courage 2016 »


  • Alatsinainy 27 Febroary 2017

Ny sabotsy lasa teo no notanterahana tany Paris-renivohitra Frantsay ny fizarana ny loka Mandela ka nandrombaka ny antsoina hoe “Prix Mandela du courage 2016” ny praiminisitra Malagasy Solonandrasana Mahafaly Olivier.

 

Izy izany no Malagasy voalohany nahazo io marim-pakasitrahana manokana io, araka izany anarany izany moa dia atolotra ireo olona sokajiana fa be herim-po amin’ny asa ataony ity Loka Mandela ity.Mahafaly aho tanteraka izao voninahitra lehibe azoko izao hoy ny praiminisitra ary tsy ho ahy irery fa atolotro ho an’ny filoham-pirenena sy ny governemanta ary ny Malagasy rehetra ity marim-pankasitrahana ity.Na eo aza ny korontana, ady, fahantrana dia afaka mivoatra tsara sy mandroso i Afrika rehefa ao ny faharanitan-tsaina sy ny firaisan-kina, hoy hatrany I Solonandrasana Mahafaly Olivier.Soa fianatra ho an’ny rehetra ilay nambaran’I Nelson Mandela manao hoe : “Tsy mba resy izany aho, fa na izaho mandresy na mahazo lesona” hoy ny praiminisitra ary tokony ampiharina amin’izay atao rehetra.Ny minisitry ny asa Frantsay teo aloha Jean Louis Borlot moa no nanolotra izany loka izany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT