Niarahaba ny vahoakan’ny Federasiona Rosiana sy ny filohany Vladimir Poutine, noho ny fanamarihany ny tsingerin-taona niforonany, tamin’ny alalan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, ny zoma teo teny amin’ny tranon’ny masoivoho Rosiana Ivandry, ny praiminisitra Malagasy Mahafaly Solonandrasana Olivier.
Notsiahiviny tao amin’ny lahateny nataony fa efa nanomboka tamin’ny taona 1972 ny niantombohan’ny fifandraisana ara-diplaomatika teo amin’ny firenena roa tonta. Raha firenena mpitolona mba hanjakan’ny fandriampahalemana eran-tany no ahafantarana anareo Rosiana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny an’ny Madagasikara kosa dia mazava fa hanatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra no hifamatorany amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena samihafa. Ho an’i Rosia sy Madagasikara manokana dia niompana tamin’ny fitadiavana marimaritra niraisana hanatanterahana ny politikan’izay fampandrosoana izay no nimasoan’ny tany roa tonta nandritra ny 45 taona nifandraisana ara-diplaomitika. Betsaka ireo manampahaizana sy teknisianina Malagasy no nisitraka fampiofanana avo lenta tany Rosia, hoy ihany ny praiminisitra Solonandrasana, ary nanampy betsaka tamin’ny famolavolana tetikasa sivily sy miaramila nentina nijerena manokana ireo Malagasy sahirana koa ianareo Rosiana izay hirariana ny mbola hitohizan’ny fiaraha-miasa maharitra. Raha ny tetikasa teo amin’ny sehatry ny fahasalamana no nifotoran’ny fiaraha-misa Malagacho-Russe dia mila hitarina amin’ny sehatra hafa izany ankehitriny, hoy ihany ny praiminisitra Malagasy, mba hisy fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ny mponina izay tena sahirana eto Madagasikara. Raha miantehatra amin’ny herin’ny tenany i Madagasikara amin’ny ady amin’ny fahantrana sy fanomezana sakafo mahavoky sy fahasalamana feno ary angovo lafatra ny mponina ao aminy dia tsy hatosi-bohon-tanana ihany koa ny fanohanana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka avy any ivelany
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.