Hatry ny ela no nalaza tamin’ny resaka kolikoly amin’ny tsenambaro-panjakana ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly OIivier.
Ny volana aprily 2016 no efa natsikafon’ny mpiasam-panjakana ambony mpanara-maso ny resaka volam-panjakana na « Inspecteurs d’Etats » miisa 3 ny momba ilay afera maloto nahasaringotra azy sy ramatoa Claudine Razaimamonjy tamin’ilay raharaha Ambohimahamasina nisian’ny fanodinkodinana volabe 396 492 444 ariary, tokony hampidirina tao amin’ny kaontin’ity kaominina ity ny 20 oktobra 2014. Noterena hafindra tamin’ny anaran-dRamatoa Claudine Razaimamonjy izy io, ka ny praiminisitra mihitsy no voalaza fa nanao tsindry, ary tsy afa-nanoatra ny ben’ny tanàna. Nanda ny praiminisitra sady minisitry atitany ka ireo « Inspecteurs d’Etats » miisa 3 indray no nakarina filankevi-pifehezana teny Iavoloha ny 7 aogositra 2016, ary namoahana sazy tsy afaka hanao io asa io intsony. Tsy ny resaka Ambohimahamasina ihany no nidiran’i Claudine Razaimamonjy, izay azony noho ny firaisana tsikombakomba fa araka ny fanadihadiana natao dia mahatratra 35, ary ana miliara maro ny vola nampiasaina. Ireo fanamboarana fotodrafitrasam-panjakana rehetra toy ny sekoly, biraon’ny kaominina, biraom-pokontany… dia ny minisiteran’ny atitany avokoa no misahana ny fanomezana ny tsena, ary ny lehiben’ny governemata no tompon’ny teny farany. Ampahany amin’ireo tsenambarotra maro be ny fanamboarana biraom-pokontany tany Ankilizato, mitentina 192 234 002.94 Ariary, fanavaozana tranompokolona ho an’ny kaominina Sahasihanaka, 174 149 142.60 Ariary; Fanamboarana toeram-pizahantany ho an’ny kaominina Analavory, 199 600 000Ariary …
KOPAKA ISASAHANA
Ankoatra ny tsikombakomba maloto amin’ny fanomezana ny tsenam-panjakana, dia eo ihany koa fanabontsinana faktiora na « surfacturation » ka hifampizaran’ireo mpiray tsikombakomba. Ny 30A285; no voalaza fa an’ny manampahefana ambony, 20A285; ho an’ny manampahefana ao amin’ny faritra hanaovana ny asa ary 10A285; ho an’ny mpanera. Matetika dia ireo asa latsaky ny 200 tapitrisa Ar ny tetibolany no hanaovana io afera io. Asa raha mba fantatry ny filoha izany ? Aiza ny fanarahamaso ? Matoa nivoaka ny dosie Claudine A&C, dia efa mafonja be ny eo am-pelatanan'ny Bianco ary mahafantatra an’io kopaka hisasahana io ny mpanao fanadihadiana. Tsy ho afa-bela ny praiminisitra Mahafaly Olivier raha tena mandeha ara-drariny ny fanadihadiana sy ny fitsarana ary mety efa miandry azy ny fonja.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.