Politique

PM Mahafaly, Roland Ratsiraka, Rakotovao Arahi-maso akaiky


  • Talata 25 Oktobra 2016

Mbola ifandroritana ny fitakiana hanaovana fifidianana alohan’ny fotoana, tsy hahandry amin’ny 2018

. Efa manoman-tena mangingina kosa ireo mety ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenana ho avy eo. Mbola ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana aloha hatreto no nanambara ampahibemaso fa hirotsaka. Ny sasany, manao fitetezam-paritra mitsapa ny fitiavan’ny olona. Manao izany i Edgard Razafindravahy. Ny eo amin’ny fitondrana, dia hita ho efa mametrapetraka ny fototra amin’ny firotsahany amin’ny 2018 ny filoha amperinasa, mihazakazaka mitety faritra na zara asa tokony hataon’ny minisitra aza ihazakazahany avokoa, toy ny fizarana « kit scolaire » sy « contrat de travail ». Arahi-maso ihany koa izao ny praiminisitra am-perinasa Solonandrasana Mahafaly Olivier. Mandeha mantsy ny feo fa mety ho kandida ihany koa ity farany ary ireo mpanolotsainy akaiky no hanosika azy hirotsaka, toy ireo praiminisitra teo alohany tamin’ny tetezamita dia i Monja Roindefo sy Camille Vital. Mety ho fanomanany izany rahateo ny mbola amikirany ny minisiteran’ny Atitany, tantaniny miaraka amin’ny Primatiora. Efa vita vaksiny raha i Roland Ratsiraka. Efa ben’ny tanàna tao Toamasina, ary efa in-droa nanandrana izy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena (2006-2013) ka mety hanao fanintelony varomaty amin’ny 2018. Filohan’antoko (MTS) rahateo izy, ny haka fitondrana amin’ny alalan’ny fifidianana no antom-pisian’izany. Tsy tongatonga ho azy ny nisafidianany ny tanànan’i Toamasina nanatanterahana ny « Foire du siècle » herinandro lasa izay. Rivo Rakotovao, filohan’ny antoko eo amin’ny fitondrana izy. Mety tombony ho azy ny fifampikasohana matetika amin’ny tantsaha eny ifotony, izay maro an’isa eto Madagasikara. Tombantombana avokoa anefa izany fa ho an’ireo antoko lehibe, manana rafitra matanjaka, dia kongresy ihany no mamoaka ireo kandidan’ny antoko harotsala amin’ny fifidianana.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT