Politique

Plateforme des Associations pro-Ravalomanana Hitety Fokontany hanentana ny olona


  • Alarobia 20 Jolay 2011


 Hampahafantatra ny olona, indrindra ireo monina eny amin’ny faritra iva ny momba ny demokrasia, ny zon’olombelona no anton’ny fidinana isam-pokontany manomboka amin’ity anio ity, ataon’ny fivondronan’ireo fikambanana miara-dia amin’ny ankolafy Ravalomanana. Ampefiloha no hisantarana izany, araka ny fanazavana. Ankoatra izay dia hampahafantarina ny vahoaka ihany koa fa tsy mbola fotoanan’ny fifidianana izao fa mila fahatoniana aloha. Mialoha ny fifidianana dia mila faranana ny krizy, hoy i Feno Ranaivorazo. Ireo mponina eny amin’ny faritra iva no entanina, hoy izy satria sempotry ny adim-piainana ny olona eny, miha-mahantra ihany koa ka mila torohevitra. Fikambanana 18 miara-dia amin’ny ankolafy Ravalomanana no miray hina ao anatin’ity firohotana na “plateforme” ity.

 

Soa

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT