Politique

«Plateforme de Concertation des Agents Publics de l’Etat» Aza lalaovina ny vahoaka !


  • Zoma 05 Aogositra 2011

Efa tena mihatra aman’aina ny fiantraikan’ny krizy.

 Tsapa, hoy ireo mpiasam-panjakana mivondrona ao amin’ny Plateforme de Concertation des Agents Publics de l’Etat (PCAPE) fa tena miha mahantra ny Malagasy. Manoloana izany indrindra dia miantso ireo mpiasam-panjakana namany ny PCAPE mba hitaky ny famahana ny krizy. «Aza lalaovina ny firenena sy ny vahoaka !», hoy ihany ireto mpiasam-panjakana amin’ny FAT ireto. Ankoatra izay dia nambaran’ny PCAPE fa tokony hanara-dalàna avokoa ny mpiasam-panjakana rehetra. Lalàna izay mifehy ny asam-panjakana eto amin’ny tany sy ny firenena. Raha ny zava-misy tokoa manko, ankoatra ny kolikoly izay mirongatra be indray eny anivon’ireo biraom-panjakana dia loza mitatao sy mihatra amin’izany asam-panjakana izany koa ny politika sy ny fanaovana kiantranoantrano.

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT