Politique

Plate forme des Associations Pro-Ravalomanana Mitarika azy ny Vehivavy MFM


  • Alakamisy 11 Aogositra 2011

Vato 32 tamin’ireo 42 nanan-kery no azon-dRamatoa Rasoaniaina Malalatiana avy amin’ny Vehivavy MFM ka nahalany azy ho filoha mitantana ny Plateforme des Associations Pro-Ravalomanana na ny vondron’ireo fikambanana manohana an-dRavalomanana.

 Fikambanana 15 tamin’ireo 16 mivondrona ao amin’ity sehatra fampivelarana na plateforme ity no nandefa solontena 3 avy nandatsa-bato, araka ny tapaky ny fikambanana. Kandida 3 no nilatsaka hofidiana ka teo ny avy amin’ny ARM’S, Andriamalandy Hery sy ny avy amin’ny 3P, Rakotonandrasana Norbert ka ny vavy tokana tamin’ireo no lanin’ny antsasamanilan’ireo tonga niatrika ny fifidianana. Anisan’ny laharam-pahamehana ho an’ity vondrom-pikambanana ity ny fiomanana sy ny fanomanana ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana, eo koa ny fampandaniana azy amin’ny fifidianana filoham-pirenena rehefa tafapetraka ny tetezamita tena izy. Amin’izao fotoana izao moa dia miatrika fiofanana momba ny fahaiza-mitantana ireo filoham-pikambanana isan-tsokajiny. Ankoatra izay dia miasa eny anivon’ny mpikambana ao aminy ny vondrona tsirairay.  

 

Sary : Rtoa Rasoaniaina Malalatiana, filoha mitarika ny Plateforme des Associations Pro Ravalomanana

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT