Politique

Pierrot Rajaonarivelo ”Tsy hisy raha hanjary eto raha tsy ...”


  • Talata 05 Jolay 2011

Nandritra ny fitsidihany tany Antsohihy ny faran'ny herinandro lasa teo no nanamafisan'Atoa Pierrot Rajaonarivelo, minisi-panjakana misahana ny toekarena sy ny indostria sady filoha mpanorina ny MDM fa tsy maintsy atao aloha ny fampihavanana izay vao miroso amin'ny fifidianana.

 Nambarany fa tsy manam-pahavalo ny Mientana ho an'ny Demokrasia eto Madagasikara (MDM) ary miezaka ny manazava amin'ny mpiray tanindrazana ny zava-misy. Misy ny resy lahatra amin'izany foto-kevitra ijoroan'ny MDM izany, araka ny nambarany, ka izany no mampitombo ny olona miditra ho mpikambana ao amin'ity vovonana ity. Eo amin'ny fiainam-pirenena amin'ny ankapobeny dia nanamafy i Pierrot Rajaonarivelo fa “tsy hisy raha hanjary eto raha tsy vita aloha ny fampihavanana”.

“Tokony hahay maka lesona amin'ny tantara isika”, hoy izy. Nisy savorovoro noho ny resaka politika teto tamin'ny 1991, 2002 ary 2009, namela takaitra ho an'ny Malagasy sy ny firenena ireny, hoy ny filohan'ny MDM ary misy ny tsy fifankahazoana eny anivon'ny fiarahamonina sy ny mpanao politika, ka noho izany dia ny fampihavanana aloha no tokony himasoana fa raha maimaika hanao fifidianana dia mety hitombo ny olana sy ny fifandrafiana ka hihemotra fa tsy handroso ny firenena ary tsy hisy fiovana izany eto. Ny MDM moa dia efa nilaza fa vonona ny handray anjara amin'ny fifidianana rehetra, ary azo antoka fa anisan'ireo hifaninana amin'ny fifidianana filoham-pirenena i Pierrot Rajaonarivelo izay efa hatry ny ela no nihetsiketsika sy nitety faritra.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT