Tao Toamasina i Pierrot Rajaonarivelo ny faran’ny herinandro teo. Nandritra izany no niatrehany ny fifampiarahabana noho ny taona taona vaovao teo amin’ny kamarady Arema Toamasina. Fihaonana natao tao amin’ny sekoly Arema Ankirihiry.
Nohararaotiny koa taorin’izay ny nanazava ny fandehan’ny raharaha politika tamin’ny mpanao gazety nantsoina manokana. “Hatramin’izao dia mbola izaho Pierrot Rajaonarivelo no SG na Sekretera jeneralin’ny antoko arema eto Madagasikara. Tsy misy afaka manala ahy SG ny antoko eo raha tsy amin’ny alalan’ny kaongresin’ny antoko ihany… Raha ny tantaran’ny antoko dia ny volana novambra 1997 no nisy voalohany sady farany izany kaongresy izany. Efa nisy ny taratasy nalefa tany amin’ny filoha mpanorina ny antoko amiraly Ratsiraka taorian’ny fihaonambe natao ny taona lasa… Mandra-pisian’ny valin’ny taratasy natao izany dia mbola izaho aloha no mpitarika ny antoko eto Madagasikara”, hoy i Pierrot raha nitafa tamin’ireo kamarady Arema notarihin’i Lahady Samuel. Tsy tazana kosa ny fianakaviana akaiky ny filoha mpanorina ny antoko Arema na mbola ao Toamasina avokoa ny ankamaroan’izy rehetra hatramin’izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.