Politique

Pierrot Rajaonarivelo tao Ambatondrazaka Antsangano ny governemanta iraisan’ny rehetra !


  • Talata 27 Jolay 2010


Nitohy tao Alaotra ny fitetezam-paritra ataon’ny MDM (Mientana ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara) tarihin’i Pierrot Rajaonarivelo. Namory olona tao amin’ny Stand Central Ambatondrazaka izy ny sabotsy 24 jolay teo, nanazavany ny antom-pisian’ny vovonana politika MDM izay tarihiny sy nitondrany ny fomba fijejriny ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny ary koa ny nandrosoany vahaolana hivoahana amin’izao krizy lavareny izao. Tolo-kevitry ny MDM àry ny hananganana governemanta iraisana, andraisan’ny rehetra anjara. Irosoana ny fihaonambem-pirenena hamolavola sy handrafitra ny lalampanorenana dia irosoana ny fitsapankevi-bahoaka andaniana ny lalampanorenan’ny Repoblika faha-4 izay arahin’ny fifidianana filoham-pirenena ary io no mamarana ny tetezamita. Saika ireo kamarady Arema efa zokinjokiny no tazana tamin’ity fihaonana tao amin’ny Stand Central Ambatondrazaka ity, fihaonana izay tsy dia nahavory olona loatra tamin’ny ankapobeny. Tety ivelan’ny toerana nivoriana aza dia tao no nilaza fa i «Dada ihany ny anay».

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT