Politique

Pierrot Rajaonarivelo Ny fanatanterahana tsara ny tondrozotra no hamarana ny tetezamita


  • Alarobia 02 Janoary 2013

Mitohy ny fitetezam-paritra ataon’ny antoko MDM (Mientana ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara) ao amin’ny Faritra Vakinankaratra tato ho ato izay.

 Anisan’ireo matetika tsidihin’izy ireo iny Distrikan’Antsirabe faharoa iny. Raha ny faran’ny herinandro teo nialoha ny fetin’ny Noely, dia ny Kaominina Andranomanelatra sy Ambohimiarivo ary Antsoantany no nifamotoan’Atoa Rajaonarivelo Pierrot, filohan’ny MDM sy ireo mponina any an-toerana. Ny Fokontany Taovala no nandray ny lanonana ho an’ny Kaominina Andranomanelatra, izay nahavory olona maro tokoa. Ankoatra ny hetsika ara-javakanto izay tsy nisaraka tamin’ny hetsika natao, dia nisongadina koa ny varotra fampirantiana ireo vokatra sy voankazo nampalaza ireo Kaominina telo sy ny manodidina ireo. Ry zareo JMDM na ny tanora MDM moa no tompomariky ny lanonana, izay nahitana solontena avy amin’ny Distrika sy Kaominina manodidina toy ny avy any Mandoto, Ankazomiriotra, Antsirabe I sy II, ny fikambanam-behivavy MDM. Amin’ny maha fety ny andro, dia nisy ny fizarana kilalao ho an’ireo ankizy rehetra tonga teo.

Nisy koa ny fizarana nofon-kena mitam-pihavanana ho an’ireo nanatrika, ka omby telo no natolotry ny filohan’ny MDM tamin’izany. Nambaran’Atoa Pierrot Rajaonarivelo fa zava-dehibe ho azy ny tantsaha sy ny mpamokatra ka izay no hidinany ifotony toy izao. Nolalovany kely koa nandritra ny lahateniny, ny amin’ny tokony hahatongavana any amin’ny fifidianana izay hamaranana izao olana lalovan’ny firenena izao. Nohamafisiny fa hifarana amin’ity taona 2013 izao tetezamita izao, rehefa tanterahana tsara ny tondrozotra. Niaiky ity mpitarika ity, fa efa tena mahantra sy tsy misakafo intsony noho ny krizy ny vahoaka Malagasy, saingy ilaina fiaraha-mientana ny fametrahana ny fiarahamonina ifampitsinjovana, izay sady tarigetra ho an’ny MDM rahateo. Tsy nisy niala ireo nanatrika, na dia nikija aza ny orana nandritra ny lanonana nihaonana tao amin’ny Fokontany Taovala Andranomanelatra io.


Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT