Politique

Pierrot Rajaonarivelo Nifidy tsy amin’ahiahy


  • Alakamisy 18 Novambra 2010

Gadra politika no sokajy misy azy. Anisan’ireo miandrandra famotsorankeloka izy. Na misy anefa na tsy misy izany dia tonga nandatsa-bato toy ny olom-pirenena rehetra, manan-jo hifidy izy ary tao amin’ny Fokontany Ambohitravao Talatamaty no nanatanterahany izany omaly maraina.

Ny MDM (Mientana ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara) rahateo nitaona ny olona hifidy ary handrotsaka ny TSIA. Ny antony araka ny nambaran’i Pierrot Rajaonarivelo dia maro ny olona sady tsy mahalala io referandaoma io akory no tsy mahafantatra ny votoatin’ny lalàmpanorenana. Araka ny nambarany hatrany dia ankamehana iny fifidianana iny, ka mahatonga ny lesoka maro nitranga toy ny tsy fetezana maro hita tamin’ny kara-pifidianana izay betsaka rahateo no tsy nahazo. Nasiany resaka koa ny amin’ny ho fiverenan’ny amiraly Ratsiraka an-tanindrazana. Tsy fahavalo, fa hijanona ho raiamandreny izy, hoy ny nambarany. Mikasika ny hetsika nataon’ireo namboninahitra miaramila omaly niainga tao amin’ny BANI indray dia nambarany fa tsy vonona amin’izany izy, ary tsy te hiditra lalina ihany koa. Ny amin’ny mety ho filatsahan-kofidiany amin’ny fifidianana filoham-pirenena indray dia tsy mbola izany no resaka, hoy izy saingy naneho ny fahavononany izy. Mikasika izay moa dia nandroso tolokevitra ny filohan’ny MDM ny hanaovana ny fifidianana filoham-pirenena mialoha ny fifidianana hafa rehetra ary atao alohan’ny 26 jona izany. Mandra-pahatonga izany dia milaza ho vonona hiditra amin’ny governemantan’ny firaisam-pirenena ny vovonana tarihiny, saingy mila dinihina miaraka ny zava-drehetra, araka ny nambarany ihany. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT