Mazava tsara ny antsoina hoe « alternance democratique », hoy ny filohan’ny antoko MDM, Pierrot Rajaonarivelo, raha nilaza ny fahitany ny raharaham-pirenena ankehitriny izy omaly, raha nanatrika ny famoahana ireo diplomaty vaovao tetsy Anosy.
Mialoha io dia hiaraha-mitantana ny firenena, hoy izy. Mampisavorovoro ny saim-bahoaka ihany, hoy izy ny zava-misy satria tsy fantatra intsony izay atao sy tokony hatao, manjavozavo ny lalan-kombana. Ny fanjakana, hoy ny tenany, milaza fa mandray ny andraikitra rehetra na eo amin’ny lafiny fikarohana io na eo amin’ny fomba ahazoan’ny tsirairay miasa handresena izao fahantrana misy eto izao. Raha lany andro mifamaly eto isika, hoy izy, dia manjary misavoritaka daholo ny rehetra na ny mpitondra io na ny vahoaka.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.