Politique

Pierrot Rajaonarivelo Miantso fitoniana


  • Zoma 23 Jona 2017

Nanohana ny filoha Rajaonarimampianina hatrany ny MDM (Mouvement pour la Démocratie à Madagascar) nanomboka ny fihodinana faharoan’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2013

 

. Hatramin’izay ka hatramin’izao dia manohana ny fitondrana HVM, hoy ny loholona Pierrot Rajaonarivelo, omaly. Tsy voafehin’ny fanjakana ankehitriny intsony anefa ny firenena ary manomboka mitroatra ny olona noho ny zioga ampitondrain’ny HVM, izay tsy mahita vahaolana manoloana ny fahantrana sy fahasahiranan’ny Malagasy, saingy tsara toerana sy migoka tombontsoa ao anaty fitondrana aloha izy ireo, dia miezaka mafy miaro ny fitondrana sy miray tsikombakomba amin’ny famotehana matoa mangina sy miezaka mandamin-dresaka manoloana izao efa fitotonganan’ny firenena izao. Mikasika ny fanamarihana ny fetim-pirenena kosa dia miantso fitoniana ity loholona ity. Manomana ny fetim-pirenena isika izao, ka ny olom-pirenena rehetra dia mila mifantoka amin’ny fanomanana fety satria izao tontolo izao no mijery antsika. Tsy vahaolana ny fanakorontanana amin’izao efa fahantrana izao. Ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana dia fanamby goavana, ka izay no tokony himasoana. Nametra-panontaniana ity loholona ity amin’ny hahafahana mifanome tanana eo amin’ny fiarahamonina hampandry fahalemana. Fetim-pirenena io ary tsy misy firenena hafa hankalaza afa-tsy isika ihany. Isika no niady fahaleovantena, ka isika no mila mampiseho firaisankina, hoy hatrany izy. Tsy misy resaka antoko politika ny fankazalana ny fiandrianam-pirenena, fa ny Malagasy tsirairay no manandratra avo ny firenena, ka ny fananganan-tsaina no marika voalohany ho fanajana ny tanindrazana. Nozogaina nandritra ny 60 taona ny Malagasy, ka tonga ny fotoana hanamarihana ny fetim-pirenena ary tsy misy an-kanavaka fa iray ny Malagasy.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT