Politique

Pierrot Rajaonarivelo Manaiky izay endrika fifampidinihana rehetra


  • Alarobia 22 Septambra 2010

Namaly ny antson’ny Raiamandreny Mijoro sy ny Vondron’Olom-pirenena ka nanatrika ny fihaonambem-pirenena teny Ivato ny Mientana ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara na MDM tarihin’i Pierrot Rajaonarivelo.

Niarahaba ny mpikarakara moa ity farany ary nilaza fa hevitra tsara tokoa ny nanaovana iny fivoriambe nandritra ny herinandro iny. Notsipihany mazava anefa fa dingana hikaroham-bahaolana tahaka ireo rehetra efa nisy hatrizay, na tany ivelany na teto an-toerana ny fihaonambem-pirenena. «Manaiky izay endrika fifampidinihana rehetra atao hikaroham-bahaolana ivoahana amin’ny krizy izahay ato anatai’ny MDM, ary manaiky ny fifanarahana rehetra ihany koa, na ny tany Maputo io na ny teny Vontovorona na ny tety Ivato» hoy i Pierrot Rajaonarivelo. Hita taratra tamin’izany fanambarana izany fa anisan’ireo mpanao politika malina amin’ny zavatra ataony ity praiministra nisahana ny teti-bola nandritra ny fitondran’ny Amiraly ity (1997 – 2001), ary efa hita soritra sahady fa ho anisan’ireo mpanao politika mbola handray anjara mavitrika amin’ny fanelanelanan’ny CNOSC izy sy ny MDM tarihiny.

Efa hatry ny ela rahateo izy no nilaza fa vahaolana maharesy lahatra ny rehetra, na eto an-toerana na ny avy any ivelany no hahafahan’i Madagasikara mivoaka amin’izao krizy izao, ary tsy mety velively ny fanapahan-kevitr’ankolafy tokana, na inona na inona mety ho anton’izany. Tsara ho marihina fa anisan’ireo mpanao politika voaantso tamin’ny karazana fanelanelanana nataon’ny sehatra iraisam-pirenena i Pierrot Rajaonarivelo tamin’ny fiandohan’ny krizy, tamin’ny herintaona, na ny natao teny amin’ny masoivoho Frantsay teny Ambatomena izany, na ny natao teny amin’ny masoivohon’i Sonegaly teny Ambohibao ; izy rahateo dia tafiditra tao anatin’ireo sesitany politika nandritra ny enin-taona tany Frantsa, satria voaheloky ny fitsarana nandritra ny fitondrana Ravalomanana. Nisy fotoana tamin’ireny savorovoro politika tamin’ny 2002 ireny no nifampiresaka tamin’i Marc Ravalomanana i Pierrot Rajaonarivelo, ary araka ny feo nandeha tamin’izany fotoana dia nandroso hevitra ny amin’ny tokony hananganana govenemantan’ny fampihavanam-pirenena izy, ary nilaza ho vonona ny hotendrena praiministra. Saingy tsy nanaiky izany moa i Marc Ravalomanana, koa dia nanangana indray ny CRN niaraka tamin’ny profesora Zafy Albert i Pierrot Rajaonarivelo, ary nandao an’i Madagasikara amin’izay rehefa nahatsiaro ho nenjehin’ny fitsarana.

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT