Politique

Pierrot Rajaonarivelo Hanao fanambarana eny amin’ny Carlton anio


  • Zoma 12 Novambra 2010


Hilaza ny heviny momba ny raharaham-pirenena anio maraina manomboka amin’ny 10 ora eny amin’ny Carlton Anosy Atoa Pierrot Rajaonarivelo, filoha nasionalin’ny antoko Mientana ho an’ny Demokrasia (MDM). Roa andro taorian’ny fanambaran’ny MDM Analamanga ny fanohanana ny TSIA amin’ny 17 novambra no hitrangan’izany ka inoana fa misy ifandraisany ny zava-nitranga teny amin’ny Mon gouter ny alarobia teo sy ity hitranga anio etsy amin’ny Carlton Anosy ity. Manana ny fomba fijeriny ny toe-draharaha politika ihany koa anefa Atoa Pierrot Rajaonarivelo ka mety hitondra fanazavana misimisy kokoa ny amin’ny tena heviny, satria maro ihany no mahita fa mbola somary misabaka ny politikan’ny MDM ka tsy fantatra marina na manohana sy miara-dalana amin’ny fitondrana tetezamita izy ireo na manohitra izany.

Anisan’ireo mety ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny filohan’ny MDM ka hita ihany koa fa manomboka mametraka fototra mafy eo amin’ny sehatry ny fanaovana politika, tsy ho mora mantsy ny ady amin’ity indray mitoraka ity. Fa mandra-piandry izany rehetra izany aloha dia hifantoka eny amin’ny Carlton indray ny sain’ny mpanara-baovao satria mpanao politika azo lazaina fa manana ny toerany eto amin’ny nosy no hitafa amin’ny mpanao gazety ary efa mandeha ihany feo hatry ny omaly fa mety hisy ny fanambarana lehibe hotanterahany anio.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT