Politique

Pierrot Rajaonarielo “Tsy vahaolana ny fifidianana amboletra”


  • Talata 26 Oktobra 2010

Tao Toamasina, nanao famelabelaran-kevitra mikasika ny raharaha politika sy ny fifidianana kasain’ny FAT hatao ato ho ato i Pierrot Rajaonarivelo, filoha nasionalin’ny fikambanana Mientana ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara na ny MDM.

Tao amin’ny kianja mitafo Soavita izy no namory olona ny alahady teo. Tamin’izany no nanaovany fanambarana mangataka ny hanemorana ny fitsapan-kevi-bahoana mba ho tsara orina ny Repoblika vaovao hajoro eto amintsika. Raha izao fitsapan-kevi-bahoaka sy ny fifidianana Ben’ny tanàna sy ny mpanolotsain’ny Kaominina hatao izao, hoy izy, dia tsy mbola vahaolana noho izy atao amboletra, tsy tenierana ary mandeha ila, nefa tena ilaina ny fankatoavana iraisam-pirenena amin’ny fanatontosana azy fa raha tsy izany asa very maina ny fifidianana rehetra hatao eto. Fanontaniana moa no napetrany raha efa fantatra mialoha ny valin’ny fitsapan-kevi-bahoaka hifidianana ny lalàmpanorenana hamaritra ny rafi-panjakana eto, matoa misokatra ao anatin’ny fampielezan-kevitra sahady ny filatsahan-kofidian’ireo izay ho Ben’ny tanàna sy ny mpanolotsain’ny Kaominina ? Hentitra koa Rajaonarivelo Pierrot nilaza fa tsy mahasoa ny vahoaka sy ny firenena ny fanapahan-kevitra raisina anaty haingitraingitra na koa atao hamalifaly vahoaka na andaniam-bola betsaka aza. 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT