Fanatsarana fa tsy fanovana ny rafitry ny tetezamita misy amin’izao fotoana no tokony hatao, araka ny hevitr’i Pierre Houlder, mpikambana FAT. Tsy azo ekena mihitsy ny fananganana izany tetezamita Bis, araka ny feo mandeha etsy sy eroa izany, hoy i Pierre Houlder.
Tsy tokony handany andro hamerina ny hevitra efa nampikatso ny fifanarahana tany Maputo sy Addis Abeba ary Pretoria intsony isika, hoy ihany izy, fa hijery kosa ny elanelam-panahy tamin’ireny dinika natao tany ivelany ireny, sy ireo hevitra maro be voaangona teto an-toerana. Aminy dia fandanian’andro ny fananganana rafitra maromaro hafa, fa ny azo eritreretina, ary mety ho azo tanterahana tsara dia ny fananganana ny governemantan’ny firaisam-pirenena. Izany hoe mety hiampy ny isan’ny mpikambana eo amin’ny governemanta efa misy amin’izao fotoana, na hisy ny fanovana ny ministra sasany ka ampidirina ao ny avy amin’ny ankolafy politika hafa. Resaka efa nivoaka teo anivon’ny Sehatra ifanakalozan’ny antoko politika sy nandritra ny dinika teny Ivato mantsy ity fananganana ny governemantan’ny firaisam-pirenena ity. Tsy dia hoe ratsy avokoa ny hevitra nipoitra tamin’ireo dinika natao tany ivelany, araka ny fahitan’i Pierre Houlder azy, saingy tokony efa nahazo lesona ny rehetra ny amin’ny antony tsy nahatanteraka ireo fifanarahana rehetra hatramin’izao. Efa nitaky fanovana ny vahoaka Malagasy, araka ny nambarany ka mila ampidirina ao anatin’ny vahaolana hamahana ny krizy izany fanovana izany. Aminy moa dia tsy iadian-kevitra intsony ny maha filohan’ny tetezamita an’i Andry Nirina Rajoelina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.