Tsy mila fanakorontanana hafa indray eto. Tsy mety mihitsy ary tsy azo ekena ny fanesorana ireo lehiben’ny faritra sy Ben’ny tanàna rehetra manerana ny nosy, hoy i Pety Rakotoniana izay Pds-n’ny Kaominina ambonivohitr’i Fianarantsoa, manoloana ny fanapahan-kevitra tapaky ny maro an’isa nandritra ny fihaonambem-pirenena niarahan’ny Raiamandreny Mijoro sy ny Vondron’olom-pirenena nikarakara.
Aminy dia fandrika goavana ho an’ny tetezamita io ka mila fandinihana tsara fa tsy atao maimaika, fa tena mety hanenenana ny fanatanterahana azy. Ekena, hoy i Pety Rakotoniaina fa iny no hevitra neken’ny maro an’isa teny Ivato saingy mbola azo ovaina tsara izany raha toa ka tsy mahasoa ny firenena. Ho an’i Lahiniriko Jean filohan’ny UDR sady mpikambana FAT kosa dia mety tsara mihitsy ny hanoloana ireo Ben’ny tanàna rehetra satria tsy olom-boafidy fa olona napetraky ny TIM ny ankamaoran’izy ireo ary tsy manaiky ny fijoroan’izao fitondrana izao. Raha ajanona amin’ny toerany mantsy ireo Ben’ny tanàna ireo dia mety hanohy ny asa ratsy fanaony hatramin’izay isaky ny fifidianana, hoy i Lahiniriko Jean, ka aleo tonga dia esorina daholo.
Mibaribary indray eto fa tsy mitovy hevitra ary mifanipaka toa valala an-karona ireo mpanao politika manohana ny fitondrana tetezamita, ary tsy amin’iio resaka fanesorana ny lehiben’ny faritra sy ny Ben’ny tanàna io ihany fa amina ventin-kevitra maro tapaka nandritra ny fihaonambem-pirenena teny Ivato no tsy mampitovy hevitra ireto mpanohana an’i Andry Rajoelina ireto.
Miha hita soritra ihany arak’izany fa samy miaro ny toerany sy mitsinjo ny tombotsoan’ny antokony izy ireo fa tsy misy tena mieritreritra marina ny soa iombonana sy izay hahombiazan’ny tetezamita. Miteraka ady hevitra vaovao indray ity resaka Ben’ny tanàna ity , ary efa tsinjo sahady fa tsy hilamina vetivety izany na dia teo aza ny toky nomen’i Andry Rajoelina ny hijerena manokana ny momba ireo Ben’ny tanàna. Mety hanova ny tetiandro efa napetraka koa ilay izy (ndlr hihalava indray izany ny tetezamita) satria manomboka mipoitra etsy sy eroa ny hevitra amin’izao fotoana hoe : ataovy mialohan’ny fifidianana filoham-pirenena koa ary ny fifidianana Ben’ny tanàna, dia tsy misy intsony ny adihevitra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.