Politique

Pety Rakotoniaina Variana mitrandraka «tourmaline»


  • Talata 02 Aogositra 2011

Mpanao politika iray sokajy amin-dry Zakahely Boniface sy Voninahitsy Jean Eugčne i Pety Rakotoniana na amin’ny fihetsika na ny tantara eo amin’ny sehatra politika.

 Samy masia-pitenenana izy ireo no gadra politika tamin’ny andron’ny Filoha Ravalomanana ka nahazo fahafahana nivoaka ny fonjan’i Tsiafahy raha vao nandrombaka fahefana i Andry Rajoelina ny volana martsa 2009. Io taona ihany koa anefa no tena naharenesana an’i Pety Rakotoniaina farany izay voatendry hitantana ny Kaominin’i Fianarantsoa ambonivohitra. Na dia nanatrika ireny karazana atrikasa isan-karazany nambara fa nakana ny hevitry ny mponina hamahana ny krizy ireny toy ny fihaonambem-pirenena sy ny dinika santatra ny tenany dia zara raha namoaka ny heviny momba ny raharaham-pirenena.

Tamin’ity taona ity izao dia tsy naharenesam-peo mihitsy izy. Midika inona ny fahanginany ? Ny azo antoka aloha dia manana lalam-bola azo antoka izay maha raikitra azy ity solombavambahoak’Ikalamavony teo aloha ity. Araka ny angom-baovao natao teo anivon’ny ministeran’ny harena ankibon’ny tany dia nahitan’ny mpitrandraka “tourmaline” ny tany fiandrasana omby iray izay fananan’i Pety ao Ikalamavony ao. “Omeny alalana hitrandraka malalaka ao ireo vahoaka efa an-jatony saingy tsy maintsy amidy aminy kosa ireo vato sarobidy rehetra azo ka ny tenany ihany no mamaritra ny vidiny.

Karazana mpanangom-bokatra izy ka ao aminy indray no mividy vato ireo mpividy vato vahiny”, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra iray ao amin’ny ministera izay tsy nitonona anarana. Mety ho efa miliardera mihitsy i Pety amin’izao fotoana hatramin’izay volana maro nisokafan’io toeram-pitrandrahana io izay, hoy io tomponandraikitra io manohy ny fanazavana. Mahafantatra tsara ny fisian’io raharaha io ny mpitondra fanjakana ambony saingy tsy sahy mandray andraikitra toy ny tao Mandraka Toamasina II izay nakatona. Tsy ara-dalàna anefa ity fitrandrahana ao Ikalamavony ity raha ny fanazavana ihany satria tsy misy manana fahazoan-dalana hitrandraka ireo olona ao no tsy nanao fangatahana teny anivon’ny ministera tomponandraikitra koa.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT