Politique

Pety Rakotoniaina Tonga masiaka


  • Zoma 26 Aogositra 2016

Nifoha tamin’ny torimasony i Pety Rakotoniaina, filohan’ny antoko Tambatra sady mpitarika ny APRN (Alliance pour la Paix de la Refondation de la Nation).

Nambarany fa tsy afaka ny hangina intsony izy ireo manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. “Tena latsaka an-katerena ny firenena”, hoy i Pety Rakotoniaina. Nohitsiany fa “avy amin’ny mpitondra ihany no mahatonga izany”. Gejaina ny vahoaka ary ezahina ampidirina ao an-dohany ny hafatry ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana hoe : tsy azo atao ny manongam-panjakana. Nambarany fa mampitroatra ny vahoaka ny fahitana ireo vahiny mangoron-karena eto amintsika toy ny ao Soamahamanina, nefa misy fandraisan’andraikitry ny Fanjakana. Raha ny filazan’i Pety Rakotoniaina dia mahatratra 763 tapitrisa Euros isan-taona ny tombam-bidin’ny harena very eto amintsika, vola izay azo hivelomana sy hampandehanana ny asam-panjakana tsara tsy ilana findramam-bola avy any ivelany. Miantso ny hisian’ny fifampidinihina eo amin’ireo hery velona rehetra eto amin’ny firenena i Pety Rakotoniaina hitadiavam-bahaolana. Efa manana vahaolana voarafitra ho vinam-piarahamonina haroso amin’izany ny antoko tarihiny. Hapetraka aloha ny fototra mialoha ny hirosoana amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Ekena fa efa nisy ny dinika teny amin’ny CCI Ivato saingy ny Fanjakana ihany no tsy nahatanteraka ny fehin-kevitra teny, hoy izy.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT