Politique

Pety Rakotoniaina Nokarohina fa tsy tratra


  • Alatsinainy 26 Septambra 2016

Tantara mitohy ny adin’i Riana Andriamandavy VII sy Pety Rakotoniaina. Ny fironana politika nisy an’itsy voalohany no niovaova fa ny tsy fifankahazoan’izy roalahy mitohy.


 Mpanohitra anisan’ny nanongana ny fitondran’i Marc Ravalomanana i Pety Rakotoniaina, ary niverina nandray ny toeran’ny Ben’ny tanànan’i Fianarantsoa, tamin’ny 2009. Mpitarika ny tanora Tiako i Madagasikara antokon’ny fitondrana naongana tamin’izany i Riana Andriamandavy VII. Nilomano teny dia lasa minisitry ny fizahantany tamin’ny tetezamita, rehefa nanome lamosina an’i Marc Ravalomanana. Nita rano tanteraka taorian’izay dia lasa mpitarika ny tanoran’ny HVM (Hery Vaovao ho an’i Madagasikara), antokon’ny fitondrana ankehitriny. Voafidy ho senatera HVM, ary filoha lefitry ny Antenimierandoholona faritany Fianarantsoa ankehitriny. Nianiana mihitsy ity farany fa na hanao sorona ny ainy aza tsy hanaiky ny hiaingan’ny fanonganana izao fitondrana HVM izao avy ao Fianarantsoa, raha namory olona tao Fianarantsoa izy ny zoma lasa teo. Basy atifi-kavana ny azy, ary iantefan’izany i Pety Rakotoniaina, lohandohany ao amin’ny hetsika MMF (Malagasy Miombona ho an’ny Fanorenana ifotony). Re fa i Pety no tena nokarohin’ireo « Gros bras » tao amin’ny fivorian’ny MMF tao Beravina Fianarantsoa tamin’ny harivan’ny alarobia teo, saingy tsy tratra dia ny lehiben’ny Faritra Matsiatra Ambony tamin’ny tetezamita, Raharison Benjamin no nalain’izy ireo an-keriny avy eo navotsotra ihany. Tsy mijanona amin’ny resa-politika ny tsy fifankahazoan’izy roalahy ireto fa ara-piaviana. Te ho mpisolotena ireo mpanao politika Betsileo i Riana Andriamandavy VII, fiheverana izay lavin’ny tena zanak’i Matsiatra Ambony ary maha sarotiny azy ireo, noho i Riana ambaran’izy ireo fa avy any Mandoto-Vakinankaratra no fiaviany fa faritra nahalehibe azy fotsiny i Matsiatra Ambony.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT