Politique

Pety Rakotoniaina “Mampirisika ny halatra omby ny Fanjakana”


  • Alakamisy 08 Septambra 2016

Miaina ao anaty tsy filaminana ny mponina eto Madagasikara ankehitriny, indrindra ny any amin’ny faritra ambanivohitra, noho ny afitsoky ny dahalo izay tena miravaka fitaovam-piadiana mahery vaika tokoa, hoy Atoa Pety Rakotoniaina filohan’ny antoko Tambatra.

Ny tsy fandraisana andraikitry ny fanjakana mihitsy no mahatonga ny fiparitahan’ireo fitaovam-piadiana samihafa ampiasain’ny dahalo amin’ny fangalarana omby ireo, hoy izy. Azo ambara fa “mampirisika ankolaka ny halatra omby mihitsy ny fanjakana”. Tsy sahin’ny mpitondra tanisaina ampahibemaso mantsy ny fiavian’ireo fitaovam-piadiana tra-tehaka tamin’ireo fanafihana nitranga taloha ireny. Novakiany bantsilana koa ny fisian’ny olona tsy maty manota amin’io halatra omby io, izay manana fifandraisana amin’ny manamboninahitry ny tafika amin’ny famatsiana fitaovam-piadiana ny dahalo any amin’ny Faritra Matsiatra Ambony sy ny manodidina. Manamafy ny fampirisihana an-kolaka ny halatra omby ataon’ny fanjakana koa, hoy i Pety Rakotoniaina, ny fanomezany alalana ny fihodinan’ny “abattoirs industriels” manerana ny Nosy.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT