Nanamafy Atoa Pety Rakotoniaina araka ny vaovao nampitainy tao amin’ny Tv Plus omaly alina, fa afaka milasataka ho fidiana ben’ny tanàna tsara ny tenany, satria misy ny taratasy mazava avy any amin’ny fitsarana manambara izany. Izy moa dia ny andro voalohany nisokafan’ny fahafahana manatitra dosie no nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany tao Fianarantsoa. Araka ny fanazavany ihany dia efa nampiakatra ny raharaham-pitsarana mikasika azy tao amin’ny fitsarana mpandrava didy (nanao pourvoi en cassation) izy sy ny mpisolo vava azy, ka noho izany araka ny lalàna manan-kery eto Madagasikara dia miantona ary tsy mbola mihatra aloha ny didim-pitsarana rehetra mikasika azy tany aloha. Mbola madio eo anatrehan’ny lalàna arak’izany ny « bulletin n°3 » an’i Pety Rakotoniaina ka afaka milatsaka ho fidiana ben’ny tanàna somanatsara izy, araka ny filazany. I Pety Rakotoniaina irery izany hatramin’izao fotoana no kandida amin’ny kaominina ambonivohitranametraka ny dosie filatsahan-kofidiany, ary izy ihany koa no gadra politika voalohany nanao izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.