“Tsy hanao politika politisianina no nanekeko ny ho PDS-n’ny kaominin’i Toamasina renivohitra, fa iraka manokana avy amin’ny filohan’ny HAT hanarina ny fahorian’ny kaominin’i Toamasina noho ireo zava-misy tsy mandeha amin’ny laoniny hatramin’izay tao amin’ny fitantanana ny tanŕna”.
Izay teny izay no anisan’ny nambaran’ny PDS-n’ny kaominina Toamasina I, Rakotovao Mariot Florent, raha nihaona tamin’ireo mpanao politika notsongaina manokana sy ireo Olobe ary Tangalamena tao Toamasina tao amin’ny Bateau Ivre ny tenany sy ny mpiara-miasa aminy ny harivan’ny alakamisy 24 jona teo.
Nandritra ny adin’ny roa sy sasany nifampihenoana sy nifametrahana fanontaniana dia nilaza ny fandaharan’asany ny PDS. Eo ny fanarenana ny lapan’ny tanàna izay efa manomboka simba, ny fanamboaran-dalana, ny famatsiana fitaovana ny mpiasan’ny kaominina, ny fanatsarana ny fampidiran-ketra ary ny fanatsarana ny fitantanana. Eo koa anefa ny nambarany fa hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka vahiny efa mpiara-miasa amin’ny kaominina, toy ny ao Le Port sy 4 Bornes ary ny Rhône Alpes, hitarina any Chine sy Firaisana Sovietika koa izany ankehitriny. Nolazainy koa anefa fa tsy tokony hiahiahy ny amin’ny karamany ny mpiasa na mila vola 85 tapitrisa ariary isam-bolana ny kaominina amin’izany, fa tsy maintsy voaloa izany.
Ny ratsy anefa tsy hita raha tsy amin’olona ihany, nandritra ity fihaonana ity koa dia nahita ny voalazany fa fitantanana tsy mety sy halatra nataon’ny Ben’ny tanàna ny PDS kaominina. Nambaran-dRakotovao Mariot Florent fa manana trosa 1.800 tapitrisa ariary amin’ny mpamatsy fitaovana azy ny kaominina ankehitriny navelan’ny Ben’ny tanàna sy ny ekipany. Natao angoan-tenda koa fa tsy hita ireo “talky-walky” miisa 17 tokony ho an’ny polisy monisipaly, ireo solosaina 11 ho an’ny Boriborintany sy anjaran’ny kaominina ary ny “retro-projecteurs” 06 novidian’ny kaominina. Mikasika ilay raharaham-bola voalaza fa 300 tapitrisa ariary nahodinkodin’ny Ben’ny tanàna dia nambaran’ny PDS fa “aleo ny mpanao fanadihadiana no hijery izany, fa raha ny hitanay dia betsaka ny zavatra tsy mety eo amin’ny fitantanana ny kaominina”.
Ireo mpiatrika ny fihaonana koa anefa maro no tsy nisalasala nanakiana ny zava-misy ataon’ny PDS ankehitriny. Teo ny teny nataon-dRamerison Auguste nilaza fa “tena ny olom-boafidy eto Toamasina mihitsy ve izany no hany mpangalatra, tsy mahita gadraina ny mpitondra raha tsy ireo olom-boafidin’i Toamasina avokoa ? Sao kosa isika mpanao politika sy raiamandreny no tsy mahay mitaiza ka mahatonga izany ? Ny any an-kafa anefa raha tsy mahazo toerana ambony amin’ny fitondrana dia atosika ho lasa filoha ary hifanohanan’izy ireo izany fa tsy fonja no miandry azy raha miova ny fitondrana”. Ny Tangalamena aza nanambara mihitsy fa “tsy mazava ny fidiranareo tao amin’ny Kaominina. Ataovy mazava aloha izany fa izay no mahatonga loza mitatao eo aminareo ireo ankehitriny. Raha ny mikasika ny tso-drano kosa dia tsy afaka hanome izany izahay fa ataovy mazava aloha ny fandraisanareo ny fahefana”.
Nampiseho fisokafana ny PDS kaominina nanao ity fihaonana ny alakamisy hariva ity. Maro anefa ny misalasala hanolo-tanana raha ny resaka nandeha an-dalatsara taorian’ny fifampidinihana. Ny fifanoherana eny anivon’ny Fitsarana mikasika ny raharaha PDS sy Ben’ny tanàna koa mbola mitohy ary efa misy ny fampahalalana izany efa tonga eny anivon’ireo tompon’andraikitra nataon’ny vaditany. Ho hita eo koa ny ho tohiny.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.