Politique

PDS-n’i Morondava Anarana TGV efatra no mandehandeha any


  • Alakamisy 23 Septambra 2010

Herinandro taorian’ny fametra-pialana nasaina nataon’ingahy Fanoina Solo André, Ben’ny tanŕnan’i Morondava, renivohitry ny Faritra Menabe, dia fantatra izao tsy hiandry izay fifidianana ben’ny tanŕna ny FAT fa hiroso amin’ny fanendrena delegasiona manokana (PDS) hitantana ny tanŕna.

Anarana efatra no efa mandehandeha hatreto ka vehivavy ny iray. Amin’izy efatra ireo indray dia mpiasa amin’ireny tetikasa ny roa, mpiasa tsy miankina ny iray ary mpiasam-panjakana efa misotro ronono ny faha-efatra. Araka ny fantatra koa anefa dia saika mpikambana na mpiara-dia amin’ny TGV, antokon’izao fitondrana izao, ireto olona ireo. Raha ny zava-nisy tao an-drenivohitry ny Faritra Menabe ity dia tonga nanao fisafoana sy nanadihady ny fitantanana teo anivon’ny Kaominina ny mpanadihady asam-panjakana avy aty Antananarivo, nanomboka ny zoma 10 septambra. Voakasika manokana tamin’izany ny lafiny ara-bola, izay nahitana lesoka betsaka ; toy izany koa ny fanomezan-dalana hanao fanorenan-trano nefa tsy hita taratra ao amin’ny fidiram-bolan’ny Kaominina. Am-bolana maro no nisedra olana ity Kaominina ity.

Matetika ny mpiasa tao no mitokona fa tsy nandray karama, nihandrona efa ho herintaona mahery. Nisy fiantraikany tamin’ny fampandehanan-draharahan’ny Kaominina io toe-javatra io. Misy vola miditra ihany anefa, raha tsy hiteny afa-tsy ny azo avy amin’ny haban-tsena fotsiny, saingy tsy nahavaha olana izany. Noterena nametra-pialana ingahy Ben’ny tanàna noho izany. Tsy niandry ela izy fa ny tolakandron’ny zoma 17 septambra teo ihany dia efa notanterahiny izany. Marihina fa Ben’ny tanàna voafidy avy amin’ny listra tsy miankina i Fanoina Solo André. Izy no isan’ny nitarika ny fikomiana tao Morondava rehefa nihetsika ny TGV.

Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT