Paul Rabary

«Mila atao tsapan’ny malagasy fa ny fanovàna rafitra aloha no zava-dehibe!»


  • Alarobia 04 Jona 2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

angamba dia hoe fahavonana hampandroso ny tanindrazana, hoy ny mpahaifiarahamonina politika, Paul Rabary. Rehefa anontaniana ny malagasy, hoy izy, hoe aiza ny tanindrazanao dia tsy miteny izy hoe Madagasikara fa ny toerana nihaviany ny azy no tanindrazany. Mino aho fa tsy misy olona tsy tia tanindrazana eto Madagasikara. Afangaron’ny malagasy ny politika sy ny fahazoana fahaleovantena. Rehefa tsy mifanaraka amin’ny firehan-keviny ny fitondràna mijoro dia aminy ny fananganan-tsaina midika ho fanekena ilay mpitondra. Ny tsy fananganany saina no heveriny fa tsy fanekena ilay fitondràna misy. Manana ny fahaleovantenany tsy azo iadian-kevitra i Madagasikara satria efa nomen’ny frantsay antsika ny taona 1960 izany ary eo amin’ny sehatra iraisampirenena dia manana ny fiandrianany sy fahaleovantenany ity firenena ity. Ny azo iadian-kevitra angamba dia ny hoe nataontsika inona ilay fahaleovantena? Anjaran’ny tsirairay ny mamaly an’izay. Feno foana ny fahaleovantena. Ny sahirana kosa matetika tsy dia manana fahaleovantena ara-toekarena. Mahaleontena isika, noho izany, fa anaty fahasahiranana tanteraka. Nomen’ny frantsay ho lova ilay fahaleovantenantsika ka ny dikan’izay izany dia rafitra heverin’ny frantsay fa mety amintsika no napetrany teto. Mahita aho anefa fa tsy mety amintsika ilay rafitra ary rafitra no tsy mahatafavoaka antsika satria mivangongo loatra eto Antananarivo ny fahefàna rehetra izay mampanahirana ny fanetsehana ilay Madagasikara ngeza be hanapariahana ny fahefàna amin’ny renivohi-paritany sy renivohi-paritra. Ny renivohi-paritr’Androy izao, ohatra, tsy tafavoaka mihitsy. Rafi-pihariana sy rafi-politika napetraky ny frantsay mba hahafahany manohy ny fifehezany ny toekarentsika no mbola tohizana eto. Mila atao tsapan’ny malagasy izany fa tsy ny fanovàna olona fa ny fanovàna rafitra aloha no zava-dehibe! Raha mbola manao politikan’ny olona eto isika dia adino foana ilay rafitra fa ny olona foana no lazaina fa tomponandraikitra eto. Ivereno ny tantara fa nisy rafitra nipetraka teto talohan’ny fanjanahantany dia izay no mety amintsika! Tsy miteny aho hoe hiverina amin’ny faha mpanjaka fa ny atao hoe repoblika dia misy foto-pisainana. Tsy ananantsika izany foto-pisainana repoblikanina izany satria isan’ny anatin’izany izao, ohatra, ny antsoina hoe «laïcité de l’Etat» na tsy fiandanian’ny fanjakàna amina finoana. Ny miaramila tsy tokony hanao politika! Ambony ao anatin’ny repoblika ny antsoina hoe soatoavin’ny repoblika noho ny fizarazarana isaky ny antoko. Ny antsoina hoe «Etat unitaire centralisé» izany angamba no mety amintsika na fanjakàna tokana manana fototra mazava, hoy hatrany ny fanazavàny.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT