Politique

Patrick Rajoelina Nanao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana


  • Zoma 20 Aogositra 2010

Nanao famelabelaran-kevitra narahina fanazavana bebe kokoa mikasika ny lalàmpanorenana mendrika an’i Madagasikara i Patrick Rajoelina.

Ity farany moa dia iray amin’ireo mpikambana sivy mandrafitra ny «Conseil Consultatif Constitutionnel» na komity fakan-kevitra momba ny lalàmpanorenana natsangan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT). Safiotra malagasy i Patrick Rajoelina, manambady gasy ary mipetraka any Frantsa any izy ary efa mpikambana tamina kabinetrana ministra frantsay sasantsasany. Mpanolotsaina teknikan’i Kofi Yamgnane, Sekreteram-panjakana frantsay momba ny fiarahamonina (intégration) (1991), lehiben’ny kabinetran’ny Marie-Noëlle Lienemann, ministra frantsay momba ny trano fonenana (1992), no nantsoin’ny FAT hitondra ny traikefany tao anatin’io CCC io.

Tao amin’ny Tranompokonolon’i Tolagnaro, renivohitry ny faritra Anosy, no nanaovany io fanazavana io, omaly alakamisy 19 aogositra, ka nanasany ireo mpanao politika sy ny liam-baovao ao an-toerana hanatrika izany. Niaraka tamin’i Patrick Rajoelina tamin’io ny Consul Général-n’i Romania ao Tolagnaro, Serge Rameau. Ity farany izay nitonona ho solontenan’ny Vondrona iraisam-pirenena (?), filazana izay somary nanaitra ny mpanatrika ihany. Lalàmpanorenana mifototra amin’ny fanjakana tokana (Etat unitaire) no novoizin’i Patrick Rajoelina nandritra ny famelabelarana nataony. Izay no lalàmpanorenana mendrika an’i Madagasikara ? Ny zava-nisy aloha dia notsipahin’ny olona nanatrika tao raha fikasana ny azy, na koa iraka nampanaovina. Naverimberin’ny mpanatrika ny famelabelaran-kevitra nataony fa fanjakana federaly no nifanarahan’ny mpizaika tany amin’ny Faritra Anosy nandritra ny Dinika Santatra, natao ny 28-29-30 ary 31 aogositra teo, ka tsy mila zavatra hafa izy ireo. Fimonomononana aza moa ny niafarany satria dia fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana no nandraisan’ny tao Tolagnaro ny anton-dian’i Patrick Rajoelina tany. Maro ihany koa ny fanontaniana tsy nahazoam-baliny mazava taminy, ka nampitombo ny ahiahin’ny maro ka nahatonga ny sasany hilaza mihitsy aza fa fanakorontanana an’i Tolagnaro tsotra izao ity. I Patrick Rajoelina rahateo milaza fa avy amin’ny TGV (Tantsoroka ho an’i MadaGasikara Vaovao).
 
Misy ifandraisany amin’ny Tanora MalaGasy Vonona ve io ? Misy fifamatorana ve izy sy i Andry Nirina Rajoelina ? Nanjavozavo tamin’ny mpanatrika ny fanazavany. Miharihary koa ny fiandaniany ary efa mamofompofona politika mihitsy, na dia tokony hijanona ho teknisianina aza izy, toy ny fanaratsiana ranofotsiny ny fitondrana Ravalomanana, ka nilazany fa tany Etazonia no nandrafetana ny MAP (Madagasikara AmPerinasa). Hadinony angamba na odiany tsy fantatra ireo atrikasa in-droa miantoana (fankan-kevitra sy fanapahana) natao teny anivon’ny faritra teo anelanelan’ny volana jona sy jolay 2007. I Patrick Rajoelina moa tsy monina eto Madagasikara fa any Frantsa ka tsy atao hahagaga raha tsy maharaka izany, saingy mandiso ny fomba fijery ny raharaham-pirenena ny toy izany. Milaza fa Malagasy izy, nefa ny fanazavany aza tamin’ny teny frantsay ranoiray tamin’ity famelabelarana natao tany Tolagnaro ity, toe-javatra izay nampanontany tena ny mpanao politika mpanatrika tao ary niteraka fimenomenonana sy tsikera azy ireo koa.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT