Politique

Patrick Raharimanana Mihemotra ny fahadiovan’ny fikarakarana fifidianana Malagasy


  • Zoma 25 Janoary 2013

Amin’ny naha-tao anatin’ny KMF/CNOE azy te aloha no nanambaran’Atoa Patrick Raharimanana “Vitatsika io” fa mihemotra ny fahadiovan’ny fikarakarana fifidianana eto amintsika.

 Taloha, hoy izy, dia nodidian’ny fanjakana mihitsy ny fisoratana anarana ao anaty lisi-pifidianana ho an’ny Malagasy tonga taona ka manana zo handatsa-bato. Amin’izao fotoana izao kosa dia ny  olom-pirenena tsirairay no manolo-tena hosoratana anaty lisitra ary tsy misy fanerena azy amin’izany fa miankina amin’ny fahatsapan-tenany fotsiny. Midika izany, hoy ity efa nitonona ho kandidà ho filoham-pirenena ity, fa raha nahatratra 10 tapitrisa ny isan’ny mpifidy taloha dia hihena 5 tapitrisa izany sisa satria ho maro ireo tsy hiraika amin’ny fisoratana anarana. 

Ho ahy ny zava-baovao ho entiko, hoy i Patrick Raharimanana, dia ny fijerevana indray ny lalàna mifehy ny antoko politika aloha, ny fijerena koa ny lalàn’ny fampielezan-kevitra sy ny fampiasam-bolan’ireo kandidà amin’izany fifidianana izany. Nanambarany fa arakakaraka ny vola azon’ny kandidà ka ampiasainy no tsy maintsy hitondrany ny firenena rehefa mby tonga eo amin’ny fitondrana izy. Ho anay dia mazava fa ny Malagasy rehetra nanampy no hamaritra ny fomba fitondrana ity firenena ity fa tsy ho vahiny tahaka ny mpamatsy vola an’ireo kandidà sasany. Tsy maintsy hisy fiovana eto amin’ny firenena, hoy izy, ka ny any amin’ny Faritra no hitondra fampandrosoana eto ary miainga hatrany ifotony eny anivon’ny Fokontany mihitsy izany.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT