Politique

Patrick Raharimanana Hanatosaka 300 tapitrisa dolara


  • Alatsinainy 21 Janoary 2013

Mila ekipa vaovao ny firenena fa tsy olom-baovao fotsiny, hoy Raharimanana Patrick, filoha mpanorina ny «Vitatsika io». Ity farany izay mametraka hatrany ny fisian’ny fitantanana mangarahara ka nampahafantatra sahady fa Rtoa Patricia Andrianjafy no tendreny ho Praiminisitra raha izy no lany amin’ny 8 may 2013. Resadresaka.

 Tia Tanindrazana (T.T) : Samy nanao fanambarana ho ren-tany, ren-danitra Atoa isany Ravalomanana Marc sy Rajoelina Andry fa tsy hisy ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo. Aminao mbola mila hamafisina an-tsoratra amin’ny fifanarahana soniavin’ny roa tonta ve izany ?

Patrick Raharimanana (P.R) : Nandritra izay efa-taona naha tao anaty krizy an’i Madakasikara izay dia betsaka ireo fifampidinihina sy fifanarahana natao. Nisy ny voasoratra, nisy tsy voasoratra, ao aza ny fifanarahana miafina. Ka io rehefa tsy hisy hanaja ny teny nomeny, dia mbola hijaly ao anaty krizy hatrany ny Malagasy.

 

T.T : Tsy mitsabaka loatra amin’ny raharaha anatin’i Madagasikara ve ny vahiny ?

P.R : Ny mpanao politika malagasy dia mitady alaolana sy manome tsiny ny hafa hatrany, ka rehefa mifanandrify amin’ny tombotsoany ny ataon’ny vahiny, dia tsara ny vahiny, rehefa manohintohina ny mahasoa azy dia tsy ilaina ireo, nefa dia isika ihany no mihazakazaka mitondra ny raharahantsika any ivelany. Misy teny Malagasy hoe : «Tany misy olo-be tsy misy miady zaza», ka very ve izany ny fisian’ny olo-be eto amintsika sa ireto lazaina fa Raiamandreny dia voavidy vola avokoa ?

 

T.T : Aminao, hampilamina an’i Madagasikara tokoa ve ny “ni..ni” ?

P.R : Isaorana ny roa tonta sy ny mpomba azy avy tamin’ny fahendrena momba ny tsy firotsahan’izy ireo ho fidiana ho Filoham-pirenena. Ny fitantanana ny tetezamita dia tsy tokony hifangaro amin’ny firotsahana ho fidiana satria manjary mitanila ny fifidianana.

 

T.T : Tsy ahiana ho “mal élu” ve izay filoham-pirenena voafidy eo, ianao rahateo kandida, satria mety tsy hifidy ny mpomba an’ireo olona roa ireo rehefa tsy milatsaka ny kandidany ?

P.R : Ny fiainam-pirenena sy ny fiainan’ny antoko politika dia tsy tokony hankinina amin’olon-tokana, ka ataoko fa misy olona manana ny maha izy azy avy ny antoko tsirairay izay azon’izy ireo tohanana sy fidiana ; na hanohana kandida hafa izy ireo. Ny zava-dehibe anie, dia ahoana no hiarahana manarina ity firenena ity tsy hametrahana ankolafy izatsy na ankolafy izaroa. Tonga ny fotoana tena hijoroana amin’ny tena toe-tsaina malagasy, soroka miara milanja sy tongotra miara-mamindra dia Vitatsika io.

 

T.T : Rehefa samy tsy kandida ihany Atoa Ravalomanana sy Rajoelina ary takian’ny SADC ny hanomezana aministia azy ireo, mbola ilaina ve ny asan’ny FFKM sy ny mbola hananganana ny FFM ?

P.R : Aretintsika Malagasy io manangana rafitra marobe io, nefa dia efa misy anie ny sampana manokana mandinika izany aministia na famotsoran-keloka izany eo anivon’ny fitsarana. Eto dia hiverenako hatrany ny fomba malagasy : «Ny heloka ibabohana mody rariny”, izany hoe tokony hiaiky ilay heloka anenjehina azy, ampahibemaso, aloha izany izay meloka vao avela ny helony. Atao ahoana moa ny hamela heloka olona tsy manaiky akory fa meloka izy. Misy aza no tsy nisy fitsarana sy heloka efa mihatra, dia omena famelan-keloka amin’inona izy? Raha tsy ekeny kosa ny didim-pitsarana nahazo azy na ny fomba nitsarana azy dia azo averina izany fitsarana izany ka takiana ny tsy fitanilan’ny fitsarana. Nefa kosa tsy hiandry azy ny fiainam-pirenena.

 

T.T : Raha ny tatitra faran’ny Banky Iraisam-pirenena, dia nitombo be ny isan’ny mahantra fadiranovana eto, vahaolana ve ny fialana amin’ireny mpamatsy vola mahazatra ireny ?

P.R : Tsy avy amin’ny «mpamatsy vola» avy any ivelany anie no fototry ny fahantrantsika e. Tsy «mpamatsy vola» ireo fa «mpampindram-bola». Tokony famoronan’asa ho vahaolana amin’ny fampandrosoana no tena atao. Isika Malagasy dia manana harena maro tokoa, nefa ny hafa no mitrandraka izany.

 

T.T : Tapaka ny fiaraha-miasantsika amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena, votsotra indray koa iny ny AGOA, mitombo ny orinasa mikatona sy ny tsy an’asa, … fivarotana ireo harem-pirenena ve izany sisa no fanantenantsika ?

P.R : Ireo firenena ireo dia tsy manokatra ny tsenany amin’ny firenena tsy manaja ny zon’olombelona sy ny demokrasia toa antsika. Ny famokarana sy ny famoronana asa ary ny fametrahana orinasa tantanan’ny Malagasy ihany no vahaolana. Misy ihany anefa ny tsy maintsy iarahantsika amin’ny vahiny.

 

T.T : Hiverenana ny resaka fifidianana. Tsy manan-jo hifidy ny “diaspora”, tsy famerezan-jo ny ampahana Malagasy ve izany ?

P.R : Matetika eo amin’ny firenen-drehetra, ny mponina eo an-drenivohitra sy ny any ivelany dia manohitra ny Fanjakana hatrany satria maharaka ny vaovao rehetra, dia iniana tsy omena zo hifidy satria mety tsy hifidy ireo efa eo amin’ny fitondrana. Nefa ireo Malagasy ireo dia mamatsy vola efa ho antsasaky ny vola omen’ireo mpampindram-bola mahazatra hatramin’izay.

 

T.T : Afaka efa-bolana ny latsa-bato voalohany, betsaka anefa no tsy mahalala akory hoe hisy fifidianana. Malagasy an-tapitrisany koa no voasoratra anaty lisi-pifidianana nefa tsy manana kara-panondrom-pirenena. Azo antoka ve ny hisian’ny fifidianana demokratika, ankatoavin’ny rehetra eto ?

P.R : Tsy vao izao isika Malagasy no niatrika fifidianana, ary matetika aza telo volana raha ela no nanomanana izany. Isika efa-taona izao no nanomana izany fa ny CENI-T no tokony omena fitaovana sy fahefana tanteraka hiatrehany izany, ary tsy hiova ny tetiandro sy ny filaharan’ny fifidianana.

 

T.T : Kandida ianao, tokony ho ferana sa avela halalaka ny fandaniam-bolan’ny kandida mandritra ny fampielezan-kevitra ?

P.R : Efa nolazaiko hatrany fa miankina amin’ny fomba nahazoanao ny fahefana ny hampiaranao izany fahefanao izany. Ka izay no nahatonga ny “Vitatsika io” manao ny ezaka rehetra mametraka ilay fomba malagasy hoe “Ny erikerika maha tondra-drano, izay mitambatra vato, entan-jaraina mora zaka” ka tsy mitsahatra ny manentana ny Malagasy eto an-toerana sy any ivelany hifanome tànana amin’izany famatsiana vola izany. Eto dia isaorana ny Diaspora izay efa nilaza ny hanome 300 tapitrisa dolara amerikana sady hamoronana asa ho an’ny Malagasy no hiatrehena ihany koa ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ny 8 may 2013.

 

T.T : Ilaina ve ny hisian’ny fifanarahana eo amin’ny samy kandida sa ampy hifampifehezana ny “code électoral” manankery io ?

P.R : Tsy tokony hamorona rafitra sy fifanarahana etsy sy eroa fa ampiharina ho an’ny rehetra ny lalàna izay efa misy. Tokony hahaleotena ny CENI-T fa tsy ho tafiditra ao anatin’ny mpitantana ny CENI-T ireo mpanao politika nanao sonia ny tondrozotra, fa hijanona ho mpanara-maso toa ny solotenan’ny kandida fotsiny ihany.

 

 T.T : Fototry ny disadisa hatrany, ary mety hitarika ady an-trano ny resaka famoahana voka-pifidianana na mbola vonjimaika aza ; ianao rahateo efa nanana traikefa tao amin’ny KMF/CNOE. Inona no tolokevitrao hisorohana izany ?

P.R : Ny tena hala-bato dia miseho alohan’ny fifidianana, ny fampiasana ny vola sy ny fitaovana ary ny haino amanjerim-panjakana. Ny fampakarana ny voka-fifidianana, miala ao amin’ny biraom-pifidianana mandeha any amin’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana. Ny vahaolana dia ny fampiasana ny teknolojia. Alefa SMS izany vokatra izany dia ny solosaina no mikajy izany azy azo avoaka amin’ny tranokala mivantana. Ireo injeniera marobe eo anivon’ny «Vitatsika io» moa dia efa nandray fepetra fa hanangona voka-pifidianana amin’ny alalan’ireo solotenany miisa 40 000 miely amin’ireo biraom-pifidianana rehetra, ka hampiasa ny finday sy solosaina. Ny tanjona dia ny hamoaka vokatra ankapobeny vonjimaiky, tsy ofisialy ny 8 may 2013 amin’ny 12 alina raha ela indrindra.

 

T.T : Vao tafaverina an-tanindrazana ianao, voaterin’ilay tsy maintsy monina eto mandritra ny enim-bolana raha te ho kandida sa misy zavatra hafa ?

P.R : Efa hatramin’ny volana may 2012 ny tenako no efa nonina eto Madagasikara. Matetika mivoaka any ivelany mihaona amin’ireo Malagasy na vahiny. Ny tatsy Maurice dia nisy fifanarahana amin’ny tetikasa famokarana herinaratra mandeha amin’ny masoandro, ny sekoly fanofanana ara-teknolojika, ny informatika ary fametrahana ny hopitaly fitsaboana ny fo. Ny tany Eorope dia fifanarahana momba ny fambolena, ny jono, ny fiompiana, ny fizahantany, ny rano fisotro, ny famokarana jiro, ny famokarana entona fandrehitra azo avy amin’ny fako, ny fitaterana hametrahana “tramway” amin’ny renivohitry ny faritra lehibe eto amintsika, ny famatsiana solosaina ho an’ny mpianatra, ny fanitarana ny tànanan’Antananarivo, ny fanaovana ny “autoroute” manodidina an’i Madagasikara. Mitentina 60 miliara dolara ao anatin’ny 5 taona izay fifanarahana efa raikitra izay. Ka misy ny anjaran’ny Fanjakana, misy ny an’ny mpandraharaha malagasy, misy kosa ny an’ireo vahiny. Efa misy moa ireo mpandraharaha vaventy ireo no efa tonga eto amitsika mamita ny fitsidihina, ary mbola maro izy ireo no ho avy amin’ity volana janoary sy febroary ity. Indindra fa ireo hanangana ny bankin’ny fampandrosoana eto amintsika. Ny tanjona dia ny famoronana asa sy orinasa tantanan’ny Malagasy hatrany.

 

T.T : Teny farany ?

P.R : Efa nampiseho fahendrena hatrany ireo olona rehetra voakasik’ity krizy ity, ka entanina ireo mpomba azy koa mba hanao toy izany ka hiroso amin’ny tena fifidianana madio ka hiatrika marina isika ny fanarenana sy fampandrosoana maharitra ka hijerena izay maika ary hametrahana ny fampandrosoana maharitra sy lavitr’ezaka, ka izany dia hatomboka any ifotony, ka aoka ny faritra no hitantana ny fampandrosoana ao aminy sy ny fanany.

Ny «Vitatsika io» moa dia mametraka hatrany ny fisian’ny fitantanana mangarahara ka efa apetrakay dieny izao ihany koa fa dia Ramatoa Patricia Andrianjafy, manana ny traikefa rehetra momba ny lalàna, ny sosialy sy politika, ny informatika ary mpandraharaha vaventy momba ny harena ankibon’ny tany, no ho tendrena ho Praiminisitra vehivavy voalohany amin’ny tantaran’i Madagasikara, vao lany ny 8 may 2013 izahay.

Mila ekipa vaovao ny firenena fa tsy olom-baovao fotsiny. Sady mandala ny fahaiza-manao no manaja ny fahamarinana ao anatin’ny soatoavina malagasy tanteraka mba hivondronan’ny fahaizamanao sy ny traikefan’ny Malagasy rehetra tsy misy ankanavaka. Vitatsika io.

Nangonin’i Britto



Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT