Nanapa-kevitra ny CENI-T sy ny vondrona iraisam-pirenena, taorian’ny fivoriana roa andro nisesy natao tao amin’ny CCI Ivato ny 4-5 febroary, fa mihemotra amin’ny 24 jolay 2013 ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena tokony hatao amin’ny 08 mey 2013, ary amin’ny 25 septambra 2013 no hotanterahina miaraka ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena sy ny fifidianana solombavambahoaka, raha efa voatondro hatao ny 03 jolay 2013.
Mizarazara ny hevitry ny mpanao politika indrindra ireo efa nitonona ho kandida filoham-pirenena mikasika io fanemorana fifidianana io. Amin’i Patrick Raharimanana, filoha mpanorina ny “Vitatsika io” ary efa nanambara fa kandida filoham-pirenena dia feno kajikajy politika iny fanapahan-kevitra iny. Milaza izy fa azo natao tsara ny nanatanteraka fifidianana tamin’ilay tetiandro efa navoakan’ny CENI-T sy ny Firenena Mikambana tamin’ny aogositra 2012.
Ny fahefana avon’ny tetezamita samirery, tsy nisy mpanohana, aza nahavita nanatanteraka fifidianana tamin’ny 2010 ka amin’izao efa maro mpanohana izao indray ve vao tsy hahavita fa dia finiavana hanitatra ny tetezamita tsotra izao ny nanemorana ny fifidianana nefa ny Malagasy efa sahirana sy mahantra fadiranovana, ary ny firenena efa tena latsaka an-katerana, hoy izy. Raha izao no izy, eo koa ireo fepetra samihafa apetrak’ireo mpiara-miombon’antoka vahiny sy takian’ny tondrozotra, iza no afaka manome antoka fa hisy tokoa ny fifidianana raha tonga ny volana jolay araka ny voalaza, hoy i Patrick Raharimanana, mametra-panontaniana ?
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.