Politique

Patrick Mounibou “Izahay no namono ny voay”


  • Zoma 12 Martsa 2010

Herintaona izao no nijoroan’ny fitondrana Fahefana Avon’ny Tetezamita. Toa tsy misy zavatra mandeha, fa lany andro amin’ny adilahy politika ihany ny fotoana.

Vahinin’ny Tia Tanindrazana amin’ity anio ity ny filoha lefitry ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Patrick Mounibou, mitondra ny fanehoan-keviny momba ny raharaham-pirenena. 

Tia Tanindrazana (T.T) : Patrick Mounibou, efa ho herintaona izao no tonga teo amin’ny fitondrana ianareo. Zavatra hita sy tsikaritra anefa, dia tsy mandeha ny raharaham-pirenena. Ahoana ny hanazavanareo an’izay ?
Patrick Mounibou (P.M) : Antony tsy mampandeha ny raharaha eto amintsika ny sakantsakana mihatra amin’ny mpitondra. Tsy vao izao anefa no nisy izany sakantsakana izany. Nanomboka tamin’ny taona 2008, taorian’ny fividianana ilay fiaramanidina raitra no efa nisy ny fampiatoana ny fanampiana. Na dia izany aza, dia mba manao izay azony atao ihany ny fanjakana. Porofon’izany, dia mbola voaloa tsara ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Na dia eo aza ny ezaka, dia manana ny fijeriny ihany koa ny vondrona iraisam-pirenena. Sakana ihany koa moa ireo ankolafy hafa, izay mitetika ny tsy hampandeha ny raharaha eto, izay isarihana ny vahoaka hiandany any aminy. Fomba fiady politika daholo moa izany.
 
TT: Zavatra hita amin’izao dia tsipahinareo ao amin’ny ankolafy Andry Rajoelina mihitsy ny fampiharana ny satan’i Maputo. Inona, araka ny hevitrao, no tena tsy mahamety an’iny fifanarahana iny ?
P.M : Hatramin’ny voalohany aho dia efa tsy dia narisika loatra tamin’iny. Noho ny firaisankina anefa, dia tsy maintsy nanaiky ny hevitry ny besinimaro ihany aho. Azo nampiharina tsara izy iny, saingy ireo avy amin’ny ankolafy telo no tsy nahay nipetraka, ka mitaky izao rehetra izao. Tsy hitovy lenta amin’izy ireo mihitsy ny avy amin’ny ankolafy Rajoelina, satria izahay no namono ny voay. Mba iza moa tamin’ny taina 2002 no mba nizaran’i Marc Ravalomanana ny fahefana tamin’ny nahazoany an’izany ? Minisitera iray no nomeny ny AREMA tamin’izany, avy eo nodakany.
 
TT: Inona no tena sakana amin’ny fampiharana azy iny ?
P.M : Ny fizarana ny toerana no tena olana, ka niteraka tanteraka ny tsy fitoviam-pijery. Amiko, ny hoe fisokafana, tsy midika ho zara mira. Izahay ao amin’ny ankolafy Rajoelina, dia antoko efa ho 40 no miaraka ao. Izahay rahateo no namono ny voay, ka tsy maintsy izahay no miravaka ny vanginy. Efa nanana vinavina izahay, dia ny 60%-n’ny toerana ho anay, 10% avy ho azy telo ary 10% ambiny ho an’ny fiarahamonim-pirenena. Amiko, dia hiragasin’Ambanitsena io, ka izay voa manodidina.
 
TT: Nisy ny valandresaka nataon-dRamatoa Lalatiana Ravololomanana tamin’ny mpanao gazety. Nanambara izy tamin’izany fa safidy roa ihany ny an’i Andry Rajoelina : na izy miverina an-databatra boribory, na izy mametra-pialana. Ahoana ny fandraisanao izay ?
P.M : Ampiako iray ny fanontaniana dia ny hoe : na izy manohy ny ataony amin’izao.
Mazava ny sori-dalana tapaka teny Ivato tamin’ny 04 sy 05 martsa lasa teo. Tsy misy intsony ny resaka Maputo. Fanomanana ny fifidianana no hatao, ary fananganana ny governemanta iombonana sy ireo rafitra hafa. Misokatra midanadana ny varavarana ho amin’ireo tsara-sitrapo.
 
TT: Efa niresaka an’izay fisokafana izay ihany ianao, ahoana ny fiheverenao izay mety ho fitsinjaran-toerana ?
P.M : Araka ny efa voalaza teo, dia tsy midika ho zara mira ny fisokafana. Amiko, ao anatin’ny governemanta, dia tokony ho 60%-n’ny mpikambana ao amin’ny governemanta dia avy aty amin’ny ankolafy Rajoelina. Tokony ho olona tsara sitrapo sy vonona hitondra fiovana ary manana traikefa no tafiditra ao.
 
TT: Hifarana tsy ho ela ny fe-potoana nomen’ny GIC handinihan’ny fitondrana misy anareo, raha tsy izay dia hilatsaka ny sazy. Ahoana ny hevitrao ?
P.M : Mazava ny voasoratra fa izay anatin’izao fitondrana izao no hosazina. Amiko manokana, dia tsy misy atahorako an’izany. Izaho tsy manana petra-bola amin’ny banky any ivelany. Izany hoe tsy mahazo mivoaka any ivelany izany, dia tsoriko fa efa ho efatra taona aho izay no tsy niala an’i Madagasikara. Nefa mbola izaho ihany ity. Raha toa ka ny vahoaka no hosazina, izay no mampalahelo, fa raha izaho, tsy misy atahorako an’izany.
 
TT: Hamaramparana ny dinika isika, inona ny antso tianao atao ?
P.M : Tsy misy mahazo tombony amin’izao savorovoro izao. Tokony samy hahay hampandefitra ny hambom-po ny tsirairay. Isika ihany no mahita vahaolana amin’ny olana misy eto amintsika, satria raharahan’ny samy Malagasy io.
 
Dinika nangonin-dRabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT