Anisan’ireo mandray anjara amin’ny fihaonana eny Ivato ny pastera Richard Andriamanjato, izay azo lazaina fa anisan’ireo zokiny indrindra amin’ny mpanao politika eto amintsika, ary nahita ny Repoblika sy ny mpitondra rehetra nifandimby teto.
Koa manodidina ny zava-mitranga amin’izao fotoana dia fanontaniana no napetrany hoe : inona marina no tadiavintsika ? Fampisarahana ve sa fampiraisana ? Izany fanontaniana izany no tokony ho masaka ao an-tsain’ny rehetra mandray anjara amin’ny famahana ny krizy, araka ny eritreriny. Ekena, hoy izy fa misy ny hevitra tena mifanipaka, ary samy manana ny hambom-pony ny tsirairay, saingy ilaina ny fifandeferana amin’ny toe-draharaha tahaka izao, raha tena te hahita ny vahaolana marina. Mikasika ny tsy fandraisan’anjaran’ny ankolafy 3 kosa, dia notsipihany fa azy ireo ny azy ary tompon’andraikitra amin’ny safidy noraisiny izy ireo. Tokony hisy kosa anefa ny fifampidinihana, araka ny fahitan’ny pastera Richard Andriamanjato azy, fa tsy mety raha samy mizirizy amin’ny heviny izany ny ankolafy tsirairay avy.
Nandritra ny taona maro moa dia anisan’ireo nanohitra ny fitondrana Ravalomanana i Richard Andriamanjato, na dia tsy dia re feo firy aza. Raha nisy ny fifanatonan’ny mpitondra sy ny mpanohitra tamin’ny 2008 dia izy, no nisolotena ireto farany ka nifampidinika tamin’i Marc Ravalomanana teny Ambohitsorohitra sy teny Iavoloha. Rehefa nifandimby teny ny andro sy ny volana dia maro ireo nanomboka nanome tsiny azy fa hoe manomboka milomano sy mamadika palitao indray izy, ary efa nifanaraka miafina tamin’i Marc Ravalomanana. Rehefa nirodana ny fitondran’ity farany dia tsy nipoitra intsony indray i «Dadapasy» fa ny zanany (Ny Hasina Andriamanjato) no hita matetika niara-dalana tamin’i Andry Rajoelina, na teny an-kianja io na tao an-dapa. I Ny Hasina Andriamanjato rahateo moa no nisahana ny ministeran’ny raharaham-bahiny voalohany, saingy voailika, rehefa tsy nisy vokany mihitsy ny fandresen-dahatra natao tany ivelany mba hahazoan’ny tetezamita ny fankatoavana iraisam-pirenena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.