Politique

Pastera Mailhol “Tsy voatohitry ny FAT ny fodian-dRavalomanana”


  • Alakamisy 28 Jolay 2011

Tsy afaka mankaiza intsony ny FAT, araka ny fahitan’ny Pastera Mailhol taterina tranokala iray.

 Tsy afa-manoatra intsony ny FAT, hoy izy fa tsy maintsy manao sonia ny tondrozotra hasiam-panitsiana, araka ny fehin-kevitra tany Sandton. Tsy misy afa-tsy 20% koa sisa ny fahefan’i Andry Rajoelina, hoy izy. Aorian’ny fanaovana sonia ilay tondrozotra, hoy ny Pastera Mailhol vao hifarana ny krizy ary dia ny fianakaviambe iraisam-pirenena no hamaritra ny fanitarana ireo andrim-panjakana sy ny fisokafana amin’ny Ankolafy telo. Nambaran’ity mpitondra fivavahana ihany koa fa tsy hisy fifidianana izany amin’ity taona ity ary dia afaka hody an-tanindrazana malalaka i Marc Ravalomanana izay hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena. Tsy voatohitry ny FAT izany, ary tsy afaka hanakana na hanao na inona na inona izy. Ankoatra izay, nambarany ihany koa fa hifantoka amin’ny fandinihana ny amnistia ireo mpikambana eo anivon’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita. Izay ihany no hahatafavoaka ireo miaramila any m-ponja, hoy ihany ny pastera Mailhol izay nanipika fa izay kandidan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena no ho lany ho filoham-pirenena amin’ny fifidianana amin’ny 2012.

 

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT