Mety amin’ny Pastera Mailhol foana na miara-milatsaka hofidiana Atoa Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina na tsia, raha nanontaniana ny heviny mahakasika ny tsy filatsahan’ny filoha teo aloha ho kandida filoham-pirenena amin’ny fifidianana hotanterahina amin’ny taona ho avy izy.
Aminy mantsy dia mbola mipetraka foana ilay «rendez-vous» nomeny ny vahoaka amin’ny taona 2013 dia ny hitondrany sy hitantanany ny firenena izany. Ireo mpomba an’i Andry Rajoelina no tokony ho faly, hoy i Pastera Mailhol satria efa izay no fanirian’izy ireo. Raha ho azy kosa dia tsy olana aminy ny zava-misy. Mikasika ny mety hilatsahan’i Andry Rajoelina hofidiana na tsia moa dia nanambara ny Pastera Mailhol fa “homme d’état” Rajoelina ka tsy hivadika amin’ny teny efa nataony teo aloha. Mino izy fa efa fandeferana lehibe no nataon’ny filoha Marc Ravalomanana dia tokony handefitra ihany koa i Andry Rajoelina ho tombontsoa ambonin’ny firenena.
Nohararaotina ihany ny fahitana an’i Pastera Mailhol nanontaniana ny heviny mikasika ny fara andro izay lazain’ny sasany fa ho tonga amin’ny 21 desambra ho avy izao ka mampatahotra ny rehetra. Nambarany fa ho an’izay mino izany rehetra dia amidio avokoa ny omby, ny trano, ny fiara 4X4 …dia ho hitany eo ny tohiny. Na dia ny zanaka aza mantsy dia tsy hahalala izany akory, hoy izy ka tsy tokony handairana tsaho tahaka izany isika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.