Manoloana ny zava-mitranga eto amin’ny firenena ankehitriny dia nanambara tamina onjampeo tsy miankina iray ny alarobia alina teo ny pastera Mailhol fa tsy tokony hiala bala izany mihitsy ny mpitondra ka hiteny foana hoe efa miasa izy ireo fa ny mpanohitra, na ny Ankolafy Telo na ny SADC na i Joaquim Chissano no mampitarazoka ny famahana ny krizy.
Amin’ny resaka politika, tsy maintsy misy ny hevitra tsy mitovy, misy ny mpanohitra, misy ny mpanembantsembana, fa ny fahitana ny vahaolana amin’izay tranga manahirana rehetra no mampiavaka ny mpitondra tena mahay. Rehefa mahatsapa tena ny fitondrana tetezamita fa tsy mahafehy ny toe-draharaha sy tsy mahatafavoaka baolina intsony dia mila manaja tena miala izy ireo ary manolotra ny fitondrana amin’ny miaramila, hoy ihany ny pastera Mailhol. Mikasika ny lalàmpanorenana vaovao hitsapana ny hevitry ny vahoaka amin’ny 17 novambra kosa, dia nambarany fa mitovy amin’ny ampahany betsaka tamin’ny lalàmpanorenana nisy tamin’ny fitondrana teo aloha ihany izy io, indrindra fa momba ny fahefan’ny filohan’ny Repoblika.
Mikasika ireo tetiandrom-pifidianana kosa indray, dia mbola manitrikitrika ity mpitarika ny fiangonana Apokalipsy ity fa ny fifidianana filoham-pirenena no tokony hotanterahana haingana aorian’ny fitsapan-kevi-bahoaka, raha toa ka lany ny Eny. Tsotra ny antony araka ny fanazavany : ho sahirana ihany isika raha toa ka tsy manana maro an’isa ao amin’ny parlemanta ilay filoha vaovao eo. Tsy misy mpitondra marin-toerana mihitsy, hoy izy raha tsy manana ny maro an’isa eo amin’ny Antenimiera roa tonta. Sady ao amin’ilay lalàmpanorenana vaovao dia afaka mandrodana ny filoha ny Parlemanta, ary ny filohan’ny Repoblika koa dia afaka mandrava ny Parlemanta. Ka izay indrindra no ilazan’ny pastera fa mety amin’ny mpitondra sy izay mieritreritra mbola hitondra ny firenena io lalàmpanorenana io, fa tsy mety kosa ho an’ireo tsy ao anaty fitondrana sy tsy tafiditra ao mihitsy. Izy koa moa dia manamafy fa mety hitarazoka hatrany amin’ny 2012 any ny tetezamita raha tena arahina an-tsakany sy an-davany ny hoe mitantana ny firenena mandra-pipetrak’ireo rafitra rehetra ao anatin’ny Repoblika faha-4 i Andry Rajoelina.
Ankoatra ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka ary ben’ny tanàna mantsy, dia tsy maintsy mbola hifidy loholona sy filohan’ny faritany, ary filohan’ny faritra isika. Tsy mbola tafiditra ao anatin’ilay tetiandro navoakan’ny tetezamita anefa ireo fifidianana telo farany ireo. Amin’ny volana mey 2011 anefa ny fifidianana filoham-pirenena, dia mety volana aogositra ve izany ny fifidianana loholona, dia atao ny volana oktobra ny fifidianana lehiben’ny faritany, dia aorian’izay ny fifidianan lehiben’ny faritra, dia mifarana ihany ny taona 2011. Sa ve ho tendrena daholo tahaka ny nataon’ny fitondrana Ravalomanana ihany : na ny loholona, na ny filohan’ny faritany, na ny filohan’ny faritra ? Maro be ny zavatra manjavozavo amin’ny fandaharam-potoanan’ny fitondrana tetezamita, araka ny fahitan’ny pastera Mailhol azy, ary mety hiteraka korontana sy savorovoro eto indray ny tsy fisian’ny vahaolana haingana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.