Politique

Pastera Mailhol “Aoka izay ny politikan’ny mandroso mihemotra !”


  • Alarobia 15 Septambra 2010

Ala nenina farany ho an’ny fitondrana tetezamita ny fihaonambem-pirenena tanterahana eny Ivato mandritra ity herinandro ity, araka ny fahitan’ny pastera Mailhol azy.

Tokony hivoaka amin’ny alalan’izany ny vahaolana rehetra, na amin’ny fitantanana ny tetezamita, na amin’ny fiampitana any amin’ny Repoblika faha-4 sy izay rehetra manodidina azy. Amin’ity mpanorina ny fiangonana Apokalipsy ity dia tsy mety mihitsy ny politikan’ny mandroso mihemotra fanaon’ny FAT hatramin’izay, ary tena vao mainka mampiditra ny firenena amin’ny kizo. Tokony horaisina sy dinihana ny hevitra rehetra tamin’ireo karazana fihaonana sy fivoriana hatrizay, dia mandritra ny fihaonambem-pirenena no handravonana azy ireny. Tsy olana, hoy ny nambarany na handray anjara na tsia ny Ankolafy telo ; ary tsy tokony hiverina hifampiraharaha amin’ireto farany intsony mihitsy ny fitondrana tetezamita fa hanohy ny lalana efa nosoritana. Fa raha sanatria ka mandamoka na mitsefotra indray ny dinika eny Ivato, dia fahendrena araka ny fihevitry ny pastera Mailhol azy ny fanolorana ny fitondrana amin’ny miaramila. Aminy mantsy dia efa natao daholo ny tetika sy paika politika rehetra, ka rehefa tsy mahomby ny mpanao politika sy ny fiarahamonim-pirenena, dia aleo hanaovan’ny miaramila azy indray.

Efa hatry ny ela moa moa no nandroso izany soso-kevitra izany ny pastera Mailhol, saingy araka ny nambarany dia noheverin’ny maro fa hevitra adaladala ny azy. Io anefa no tena vahaolana raha toa ka tsy mahita ny marimaritra iraisana ny mpanao politika, tandroka aron’ny vozona ary tokony tsy ho momba ny atsy na ny aro any tafika, araka ny filazany ary tena manana adidy hanavotra ny firenena. Ankoatra izay dia mbola mitazona ny teniny efa ho folo taona mahery izao ity mpanorina ny fiangonana Apokalipsy ity ary manamafy fa hatolotra azy ny fitondrana amin’ny 2013, ary tsy tafaverina eto mihitsy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT