Politique

Pastera Mailhol Amin’ny taona 2012 vao hifarana ny tetezamita


  • Alakamisy 07 Oktobra 2010

Nanao jery kina ny volavolan-dalŕmpanorenana hakana ny hevitry ny mpifidy ny 17 novambra izao ny pastera Mailhol. Raha ny fahitany azy dia vao mainka manamafy ny fahefan’ny fitondran’ny filoham-pirenena ity volavolan-dalŕmpanorenana ity izay nalaina tahaka tamin’ny lalŕmpanorenana teo aloha ihany.

“Fahefan’ny filoham-pirenena ny mandrava ireo Antenimiera ary mbola izy koa no filohan’ny “Haute Cour de Justice”. Araka izany dia ny hampandany azy io no tokony hataon’ireo mpanao politika rehetra izay mihevitra ny haka fanjakana. “Mety amiko ny eny satria ho mafy orina ny fitondrako amin’ny 2013. Tokony hampandany ny tsia kosa anefa ny olon-tsotra tsy mankasitraka izany. Na izany aza dia tsy hampandany ny Eny na ny Tsia izahay amin’ny maha olom-piangonana”, hoy hatrany ny filohan’ny fikambanana Apokalipsy. Notsongainy tsirairay koa ireo teboka maharatsy ity volavolan-dalàmpanorenana ity toy ny tsy fisian’ny andininy milaza ny zavatra hitranga raha mandresy ny tsia sy ny fahafahan’ireo vahiny mizaka ny zom-pirenena Malagasy mirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena.  

Misy fifanoherana maro koa notsongain’ny pastera ka anisan’izany ny fisian’ny andininy milaza fa tsy mahazo milatsaka ny kandida mahaleotena kanefa misy andininy hafa indray mametraka fa miditra anaty antoko ireo kandida lany ary tsy mahazo mamadika palitao izy ireo. Mahagaga ity filoham-piangonana ity koa ny voalaza ao amin’ny andininy faha-41 momba ny fanambaram-pananana. “Tsy maintsy manao fanambaram-pananana ireo hirotsaka hofidiana saingy tsy takiana amin’izy ireo izany rehefa tapitra ny fe-potoam-piasany, izany hoe tsy fantatra raha nangalatra izy na tsia”. Fa nanaovan’ny mpanorina ny fikambanana Apokalipsy fanamarihana koa ny fahataperan’ny tetezamita. “Mazava ny voalaza ao amin’ny fepetra tetezamita fa eo anatrehan’ny governemanta, ny Antenimiera, ny fitsarana tampony ary ny vahoaka no manao fianianana ny filohan’ny Repoblika. Hatramin’izao anefa dia tsy nisy sori-dalana namoaka ny daty hifidianana ireo loholona izay mpifidy lehibe no mifidy azy. Araka izany dia rehefa tafapetraka avokoa ny lehiben’ny faritra sy ny lehiben’ny faritany vao hiroso ny fifidianana loholona, izany hoe : any amin’ny faran’ny taona 2011 na fiandohan’ny 2012 vao mety handray ny asany ny filohan’ny Repoblika faha-4”

Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT