Politique

Pastera Maihol “Tsy ho vita amin’ity taona ity ny tetezamita”


  • Alarobia 12 Mey 2010


Tsy hahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena mihitsy ny fitondrana FAT na dia hanova ny governemanta aza, hoy ny pastera Mailhol. Mbola fanapahan-kevitry ny ankolafy Rajoelina samirery ihany mantsy izany satria tsy iarahany manatanteraka amin’ireo ankolafy telo raha ny fanazavany. «Mitovy amin’ny zava-misy tamin’ny andron’i Roindefo sy Vital ihany io izay hatao mba hanehoana fa tsy mipetra-potsiny ny fanjakana». Nambarany fa ny fiaraha-mientan’ny rehetra ihany no takian’ny firaisambe iraisam-pirenena vao azo ilay fankatoavana, antoky ny fivahan’ny famatsiam-bola. Mbola mitazona hatrany ny soso-keviny hivoahana amin’ny krizy moa ny tenany dia ny fanomezan’i Andry Rajoelina ny fahefana feno any amin’ny miaramila ka ity farany indray no hanolotra izany amin’ny olona iray tsy manana fiandaniana. Nomarihiny fa tsy ho tapitra amin’ity taona ity ny tetezamita fa hitohy hatrany amin’ny tapaky ny taona 2011. «Any amin’ny mey na jona 2011 any vao hisy filoham-pirenena eto», hoy hatrany ity filohan’ny fikambanana Apokalipsy ity ka mpialokaloka politika io olona lanim-bahoaka hitantana ny firenena io.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT