Tsy misy zavatra izay nolazain’Andriamanitra ka tsy ho tanteraka eto amin’ny firenena, hoy ny pastera Joseph Radimilahy, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Fiangonana Fifohazam-Panahy ara-tSoratra Masina na ny FFPSM.
Taorian’ny nanambarany ny faminaniana azony tamin’ny volana novambra taona 2012 , fotoanan’ny tetezamita izay nanambaran’Andriamanitra taminy ny fiakarana lehilahy iray efa zokiolona eo amin’ny fitondrana mantsy dia nanambara indray izy omaly fa tsy miova io faminaniana azony io. Nasehon’Andriamanitra azy indray mantsy fa hiakatra eo amin’ny fitondrana io lehilahy efa zokiolona io aorian’ny fifidianana filoham-pirenena hotanterahina eto amintsika izay raha tsorina dia ny dokotera Jean Louis Robinson. Nambarany fa efa nilatsaka hofidiana ity raiamandreny ity ny taona 2013 saingy ireny niaraha-nahita ireny ny vokatry ny fifidianana. Na izany aza anefa dia lalana nitondran’Andriamanitra ny rehetra ireny mba hahatongavan’ny tsirairay saina. Miantso ny rehetra hanatsahatra ny fifanaratsiana sy ny fifanenjehana ny tenany satria vanim-potoana fandinihan-tena izao sady fotoana efa handaminan’Andriamanitra ny fiainam-pirenentsika ihany koa. Nomarihiny manokana fa tsy hisy fampihavanana ho vita eto raha mbola samy manamarin-tena ny tsirairay. Tsiahivina moa fa efa fito taona izao no nisian’ny fiangonana FFPSM teto amintsika. Miisa 500 ireo mpikambana ao aminy raha toerana 13 kosa no efa misy azy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.