“Misy mahatsara azy ihany ny tsy mbola nahatafapetraka ny tetezamita tena izy”, hoy i Dauphin, solontenan’ny tanora Zafy Albert omaly raha nikabary tao amin’ny Magro Behoririka. Miavaka ankehitriny, hoy izy ny vary sy ny tsiparifary.
Isaorana ianareo niala sy izay mbola hiala, hoy kosa ny pastera Edouard. Misy sokajin’olona, hoy izy tsy mijery ny fireneny izany fa ny tenany ihany ary na dia voafidim-bahoaka aza izy dia tsy miraharaha izany vahoaka izany. “Ampy izay ny ramatahora, ny fitiavan-tena sy ny fipetrahan’i Andry Rajoelina eo”, hoy ihany ny pastera Edouard. Mifanohy amin’izay ihany moa dia nambaran’ny depiote Randrianjatovo Henri fa tsy hafatra fotsiny ihany ny taratasy nalefan’ny filoha Ravalomanana momba ny antoko Tiako I Madagasikara fa fitsipika sy baiko. Nohamafisin’ny filoha, hoy ity olom-boafidy ity ny tapaka tany Addis Abeba. “Iny taratasy iny no nandrasantsika”, hoy ihany ny solombavambahoakan’i Faratsiho ity izay nanamarika fa mandripaka vokatra ny valala ao Mandoto sy Andranomanelatra, ary raha izao no mitohy, hoy izy dia ahiana ho tonga eto an-drenivohitra izany. Momba ny zava-misy any Toliara indray dia nambarany fa tsy ny Ankolafy Telo no nampirisika ny vahoaka hitroatra fa leo ny lainga aely ary ankehitriny dia mafana tokoa ny toe-draharaha any atsimo any araka ny fanazavany ihany.
Tsy nisy mpitarika ny hetsika tany Toliara izay saika nitrangana doro trano fa voasakana mialoha. Fanontaniana àry no apetrak’i Toliara, hoy ny pastera Edouard raha toa ka hijery fotsiny Antananarivo manoloana ny zava-misy. Nanome fepotoana hamoahana ireo nosamborina moa i Toliara, araka ny vaovao ihany ka tsy ho tompon’andraikitra amin’izay zavatra mety hiseho izy ireo. Tena efa fandeferana, hoy ihany ny pastera Edouard ny fifampidinihana amina mpanongam-panjakana kanefa kosa ankehitriny dia efa tena mihoatra ny fefy. Momba ny didim-pitsarana navoaka momba ny raharaha 7 febroary dia “tsy ho ela ny valin-kafatra, fa ny tompon-trano indray no nogadraina”, hoy ihany ny pastera Edouard.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.